Politique

Ministeran’ny Atitany Dia niandry vasoka avokoa ny rehetra


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Vory lanona tetsy Anosy avokoa omaly maraina ny mpiasan’ny ministeran’ny atitany notarihan’ny minisitra Rakotoarisoa Florent niandry ny fahatongavan’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, izay nambara tamin’ny haino amanjerim-panjakana fa hanolotra fitaovana fanaovana kara-panondrom-pirenena, entina hiatrehana ny fifidianana.

 Efa tafajoro ihany koa ny lapihazo hanatontosana ny lanonana ary niasa andro aman’alina mihitsy ireo mpiasa mba hamitana izany ara-potoana. Tamin’ny 9 ora no fotoana nifanomezana saingy tsy nipoitra mihitsy ny filohan’ny FAT kanefa efa teny an-toerana avokoa hatramin’ireo olo-manankaja ivelan’ny ministeran’ny atitany mbamin’ny mpanao gazety. Efa tamin’ny 10 ora latsaka vao nampandrenesina ny rehetra fa tsy raikitra ilay fanolorana fitaovana fa hahemotra ho rahampitso alakamisy indray. Na dia ny seraseran’ny FAT aza tsy nahafantatra io fiovan-kevitry ny filohan’ny FAT amin’ny fotoana farany io. Dia nitonatonana teo izany ny rehetra, anisan’izany ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT