Politique

Ministeram-panjakana Miahaka ny lamba maloton’ny MERI


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

« Ny tokantrano tsy ahahaka », hoy ny fahendren’ny Ntaolo. Soatoavina malagasy mbola maro mpankato izany, saingy misy ihany ireo tsy mahatana fa dia manahy ny lamba malotony.

 Asa na noho ny fahatsapany fa tratry ny tsindry aloka loatra ka mitroatra na koa tsy mahatana vava fotsiny tsotra izao. Tranga iray miely erak’ireo fitaovan-tserasera moderna toy ny blaogy ny zava-misy ao amin’ny ministeram-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MERI) tantanan’i Yves Aimé Rakotoarisoa. Ao ireo mitaraina fa dia misy ny gaboraraka sy ny fanararaotana, indrindra amin’ny fampidirana mpiasa ao amin’ity ministera ity. Misy koa ireo milaza fa dia manjaka ny fanambaniana sy ny resa-piaviana. Etsy andanin’izay, misy ny andiana mpiasa milaza fa dia faminganana ataon’olom-bitsy ny zava-miseho ao amin’ity ministera ity ka dia nahavatra nanoratra tamin’ireo gazety vitsivitsy momba ny toe-draharaha iainana ao an-toeram-piasan’izy ireo. Raikitra noho izany ny ady an-trano amin’ity ministera misahana ny fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana ity. Mivaky roa ireo mpiasa, eny telo mihitsy aza satria tsy maintsy eo ireo milaza azy ho tsy momba ny atsy na ny aroa.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT