Anisan’ny niady mafy tamin’ny fametrahana ilay lalàna mifehy ny serasera izay tsy ankatoavin’ny haino aman-jery maro eto amin’ny firenena ny Minisitry ny serasera ankehitriny Andrianjato Vonison sy ny Tale kabinetrany dia Atoa Nivo Ratiarison.
Taorian’ny raharaha nahavoasaringotra an’ity farany noho ny resaka fanodikodinam-bola mitentina 400 tapitrisa ariary ary nampidirana azy any am-ponja dia manomboka ratsiratsy toerana ihany koa ankehitriny Atoa Vonison Andrianjato minisitry ny serasera, satria olona tena akaiky azy, sady namany no tanan-kavanany i Nivo Ratiarson ka rariny sy hitsiny raha ho tonga any aminy koa ny fanadihadiana momba io fanodikodinam-bola io. Mandeha ny resaka fa hoesorina ity minisitra ity ary aorian’izay no hanenjehana azy ara-pitsarana. Efa misy ihany koa ny tsiliam-baovao amin’ny anaran’ny olona mety hasolo ny toerany ka isan’ny anarana mandeha ny an’Atoa Henri Laurent Rahajason na i Rolly Mercia.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.