Nahagaga ihany ny nahita ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo nivatravatra nandritra ny kabariny ka nitaky ny fanokafana tsy misy hatakandro ireo haino aman-jery rehetra nakatona, hoy ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent.
Mahamenatra, hoy ity farany fa filohana andrim-panjakana ve dia tsy mahalala ny lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nanamafy ingahy minisitra fa tsy maintsy manaraka sy manaja lalàna ny rehetra tsy an-kanavaka, ary izay tsy manaraka dia tsy hisokatra izany mihitsy na ahoana na ahoana ambara. Tahaka ny nanamafy ny tenin’ny filohan’ny tetezamita ny minisitry ny serasera ary na tsy niteny nivantana aza dia mazava ny tiany hambara fa raha mbola izy no tompon’andraikitra voalohany eo amin’io ministera io dia tsy mbola azo antenaina ny hisokafan’ireo onjampeo nosokajian’ny FAT fa mpanohitra tahaka ny Radio Fahazavana sy ny Radio Mada, satria amin’izy ireo dia nitarika ny olona hikomy sy nanohintohina ny filaminana anatiny, ireo onjampeo ireo.
Efa lasa iray tarika amin’ireo onjampeo ambara fa akaikin’ny ankolafy Ravalomanana ireo koa moa amin’izao fotoana ny Free FM izay sahy namaky bantsilana ny zavatra tsy mety rehetra amin’ny fitantanana ny tetezamita ary nanomboka efa namoaka tsiambaratelo manodidina ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina teto tamin’ny 2009, dia io izy iaraha-mahita fa anaovan’ny ministeran’ny fitsarana sy ministeran’ny serasera angaredona io.
Milamin-tsaina ary afaka manararaotra mampiely izay vaovao hitany fa mety aminy sy manasa ny atidohan’ny olona amin’ny fotokeviny, angamba amin’izay ireo fitaovan-tserasera manohana an’i Andry Rajoelina. Raha toa ka tena nisy tokoa anefa ny hoe fitarihana ny olona hikomy sy hanohitra fanjakana ary hanongana fitondrana dia efa mba nanao izany koa ny haino aman-jery mpanohana an-dRajoelina, saingy toa mbola afaka mandeha tsara sy miparitaka manerana ny Nosy izy amin’izao fotoana. Raha fehezina ny resaka dia hitsivalana avy hatrany amin’ny toromariky ny praiminisitra Omer Beriziky momba ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona tato anatin’ny telo taona izany, ny minisitry ny serasera.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.