Politique

Minisitry ny fitsarana Tsy noesorina na dia be mpanakiana aza


  • Zoma 21 Aprily 2017

Tsy voakitika ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza, raha samy nilaza ny mpanara-baovao fa izy no minisitra ratsy toerana indrindra.

Tsikaritra ho tsy masi-mandindy sy tsy misy hajany amin’ny olona eo ambany fahefany intsony ny tenany taorian’ny fitakiany ny hamotsorana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy. Nilaza ny Sendikan’ny mpitsara (SMM), fa heviny manokana izany fa tsy hevitry ny fitsarana. Noho ny raharaha mafana ankehitriny dia hanao fivoriambe tsy ara-potoana ny sendikan’ny mpitsara anio, ary efa mandeha ny resaka amin’ny mety ho fitakiana ny fialan’ingahy minisitra, izay mbola malaza ho tompon’antoka tamin’ny fampitsoahana an’i Claudine Razaimamonjy. Nanampy trotraka koa ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana izay efa nanao fanambarana fa  tokony hametra-pialana izy noho ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Mazava ny tenin’ny minisitra, rehefa nohalalinina ny fanambarany fa rehefa tonga eny amin’ny fitsarana io raharaha io, dia havotsony ary izay no zava-nitranga, ka tompon’andraikitra feno tamin’ireny zavatra ireny ny minisitry ny fitsarana, hoy i Nicolas Rabenandrasana, mpitarika ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Ho resaky ny moana sy ny marenina izany ny an’ireo olom-pehezina sy ny minisitra manomboka eto.

Toky R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT