Politique

Minisitry ny fitsarana “Ny olona mihitsy no efa mafana ra”


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Tany Antsirabe nandritra ny lanonana ofisialy nametrahana ny mpampanoa lalàna vaovao Rtoa Djaojoma Colette no nitondran’ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fanazavana momba ny trangan-javatra niseho tato ho ato izay momba ny resaka fitsaram-bahoaka.



Nolazainy fa ny olona mihitsy no efa mafana ra ka tsy mahafehy tena intsony fa tsy resaka hoe mahatoky na tsy mahatoky fitsarana izany ilay izy. Raha ny nahamay ny Jirama Farafangana sy ny nandoran’olona ilay vehivavy tao Mananjary, ohatra, dia tsy mbola nisy nidiran’ny fitsarana mihitsy ny raharaha fa ny olona no nihetsika avy hatrany. Tontosa omaly tany Antsirabe moa ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny mpampanoa lalàna vaovao, Rtoa Djaojoma Colette. Nanambarany fa hiezaka ny hiady mafy amin’ny asa efa natomboky ny teo aloha izy, dia ny fanafoanana ireo mpanelanelana sy mpisoloky izay malaza ao Antsirabe ary hiasa araka ny fahamarinana tokoa ary hiady amin’ny kolikoly sy ny fanelanelanana diso tafahoatra ataon’ny manampahefana, izay toa efa malaza any ambony any. Efa fantany fa anisan’ny olana miandry azy ny olan’ny tany ankoatra ny fitsaram-bahoaka izay melohin’ny lalàna, ka hiezaka ny hiasa am-pahamarinana ny tenany, hoy izy. Tany Antsiranana moa no niasany teo alohan’izao nandraisany ny asa ao Antsirabe izao ka mahatoky azy ny fitsarana satria voalaza fa efa voafehiny ny “Foroches” tany Antsiranana.

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT