Politique

Minisitry ny fitsarana Matahotra mafy an’ny Bianco ?


  • Zoma 14 Aprily 2017

Tsy nisy sahy nipoitra teny amin’ny Bianco omaly maraina ireo solontenam-panjakana nandritra ny fanolorana fitaovana momba ny informatika nataon’ny masoivoho frantsay na dia nahazo fanasana aza.

Matahotra ve sa menatra tamin’ny zavatra natao no tsy tonga ? Ny mpitondra HVM anefa no tena mailaka sy tsy tara amin’ny fisehosehoana rehefa misy zavatra toy ireny. Anisan’ireo nandrasana teny an-toerana ny minisitry ny Fitsarana Charles Andriamiseza fa tsy nipoitra. Tsiahivina fa ity minisitra ity no tompon’andraiki-panjakana nanasoketa sy nanameloka voalohany ny Bianco ho tsy manara-dalàna tamin’ny fitakiana ny famoahana an-dRamatoa Claudine, ary mbola izy ihany koa no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fampandosirana azy.  Tsy hay na matahotra mafy ny mety hifoteran’ny rambony amin’izao raharaha izao ny tenany fa dia naleony nisafidy ny tsy hipoitra sy tsy niteny intsony taorian’ny kiana mafy nahazo azy. Mety ho tsy maintsy iharan’ny fanadihadiana na fisamborana mihitsy ny tenany raha nandositra sy tsy hita i Claudine Razaimamonjy, izay efa takian’ny ankolafin-kery sy sehatra maro ny fiverenany eto hotsaraina. Na ny fianakaviamben’ny fitsarana aza efa nanakiana mafy ilay fanambarana latsak’alina nataon’ny minisitra Andriamiseza Charles nitaky ny famoahana an’i Claudine Razaimamonjy. Tsikaritra ihany koa fa tsy nisy nanohana ity minisitra ity mihitsy ireo mpikambana tao amin’ny governemanta ankoatra an’i Rivo Rakotovao fa samy nangina tsy niloa-bava. Nisy mihitsy aza, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety, no gaga sy sosotra tamin’ilay fanambarana nataon’ingahy minisitry ny fitsarana iny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT