Politique

Minisitry ny Fahasalamana Te ho praiminisitra ?


  • Zoma 03 Martsa 2017

Tsy mety teraka ambatobevohoka ! Izay no azo ilazana ny resaka fanovana governemanta na dia efa ela ihany aza no nandrenesana izany.

 Toa zary miteraka ady an-trano sy fifampialonana eo amin’ny samy mpitondra izy ity, indrindra fa ny samy mpikamban’ny HVM. Samy tsy te ho very seza ka mila misolelaka sy mampiseho amin’ny filoha fa mahavita azy ary tsy hivadika amin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Re amin’izao fotoana izao fa miketrika mafy ny toeran’ny praiminisitra ihany koa ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Tsy hay na fifanandrifian-javatra fa hita ho tsy manana elanelana amin’ny filoham-pirenena ity minisitra ity, ary miezaka mampiseho amin’ireo mpikamban’ny governemanta sasany fa izy no mety hitazona ny lapan’i Mahazoarivo atsy ho atsy. Miketrika mafy ny tenany ary miezaka mampiseho amin’ny filoham-pirenena fa mahavita azy, indrindra fa amin’ny fanomanana ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny taona 2018. Mandeha mantsy ny resaka fa efa manomboka mandray anjara mavitrika amin’ny kajikajy rehetra ity minisitra ity, ka ny fiandohan’ny herinandro teo dia re fa nidina tany Antsirabe ny tenany, ka namory ben’ny tanàna maromaro. Voalaza fa tarihina sy terena an-kolaka ho ao am-balan’ny HVM ireo ben’ny tanàna, ka handresy lahatra ny vahoakany hifidy ny kandidam-panjakana, dia ny filoha am-perinasa amin’ny taona 2018. Tsiahivina fa antony lehibe nanendrena an’i Mahafaly Olivier ho praiminisitra ny fahaizany nilalao ny minisiteran’ny atitany izay natao fitaovana hanomezana tombon-dahiny ny kandidam-panjakana sy niarovana hatrany ny fanjakana HVM, ka efa manomboka mianatra izay fomba fiady izay ity minisitra ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT