Tsy naneho hevitra elaela mikasika ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahasalamana ny filohan’ny hetsika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na i Doudou, raha ny fanazavana nomeny omaly teny amin’ny fonenany eny Ambohipo.
Nitohy omaly kosa ny fanehoan-keviny ary dia nanamafy izy fa anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ny vahoaka kanefa dia tsy mahalala ny andraikitra tandrify azy akory ny mpitondra. Ny miantoka izany filaminam-bahoaka sy fandriam-pahalemana izany, hoy ny tenany, no tokony ho vaindohan-draharahan’ny mpitondra ary ny minisiteran’ny atitany no tokony ho tompon’andraikitra voalohany amin’io fa tsy ny mpitandro ny filaminana, raha raisina ohatra ireny raharaha tany Antsakabary ireny. Ilay minisitra indray anefa, raha ny fanazavany, no sahy milaza fa hosaziana ireo tompon’andraikitra. “Tsy ny minisitra ve no tokony hosaziana voalohany ?”, hoy izy. Raha resaka fahazoan-dalana mamily fiara biometrika sy karatra biometrika na Visa dia malaza ny minisiteran’ny atitany, tsy hita kosa anefa rehefa tokony hamaha olana mikasika ny filaminam-bahoaka izay tena andraikiny amin’ny “autorité de police administrative” azy sy ireo rantsana misy ao aminy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.