Politique

Minisitra Rolland Ravatomanga Mampiroaroa saina ny TIM sasany


  • Zoma 14 Aprily 2017

Maro amin’ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara no miroaroa saina sy velom-panontaniana ankehitriny momba ny minisitry ny rano Rolland Ravatomanga hoe mbola ao anatin’ny antoko TIM ny tenany sa efa HVM ?

Tsy vitsy no efa manomboka sosotra satria mihevitra azy ho manao fitan-droa, ka mamy ny atsy fy ny aroa. Mahatsapa mantsy izy ireo fa voazimbazimba ny soatoavina sy ny etika politika, ka tokony hijoro mazava tsara ity minisitra ity amin’ny toerana misy azy manoloana izao ady efa naman’ny vaky am-batolampy eo amin’ny HVM sy ny TIM izao. Mitazona hatrany ny foto-keviny, dia ny miaraka sy akaiky ny vahoaka ny antoko TIM fa tsy te hiara-maloto sy hiray tsikombakomba amin’ny zava-doza afitsoky ny fitondrana ankehitriny, toy ny nampandosirana an’i Claudine Razaimamonjy. Tsy afaka ny hangina sy hitazam-potsiny amin’ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny demokrasia. Tsy ity antoko ity mihitsy no andeha hanimba ny etika sy ny soatoavina politika nijoroany hatrizay, ary tsy sasatry ny manao antso avo amin’ny mpikambana mba hanaja sy hitandro mandrakariva ireo mpitarika. Anisan’izany ireo olom-boafidy lany tamin’ny alalan’ny antoko, izay nanao fanambarana henjana manoloana ny zavatra tsy ara-dalàna maro miseho eto amin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT