Politique

Minisitra Organčs Mitazona mafy ny toerany !


  • Alarobia 12 Mey 2010

Manao izay rehetra hitazonana ny toerany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny filaminana anatiny izay miandraikitra rahateo ny polisim-pirenena.

Ankoatra ny fahitana azy eny amin’ny haino aman-jery isan-karazany tato ho ato miaraka amin’ny fanamiana polisy dia midina an-tsehatra amin’ny fisamborana olona koa ny tenany. Mbola nanomana fotoam-pivavahana ihany koa ity tompon’andraikitry ny FAT ity, omaly, teny Ivato. Nantsoiny avokoa ny ambonimbony eo anivon’ny polisy. Ny lehiben’ny sampandraharaha no ho miakatra, raha araka ny vaovao azo no nasaina nanatrika io fotoam-pivavahana io. Nantsoina hatramin’ireo izay avy lavitra mihitsy. Dia mazava ho azy fa avoaka amin’ny fahitalavitra tsy ho ela indray izany, raha arahina amin’ny lojikan’ity minisitra ity, tato ho ato. Raha tsiahivina dia anisan’ny niozongozona tamin’ny toerany Rakotomihantarikaza Organès taorian’ireny zava-niseho tany Antsiranana ireny. Tsy inona izany fa ny fahafatesan’ny mpianatry ny oniversite iray antsoina hoe Olivier Ninjaka izay anisan’ny mba nitaky ny zony ka nanatevina ny hetsiky ny mpianatra kinanjo lavo tao anatin’ny daroka nataon’ny polisy izy. Vao nandeha ny feo fa misy mitaky ny hialan’ity minisitra ity dia avy hatrany dia ny azy no nataony tonga aloha ny hetsika isan-karazany izay raha zohina tsotra dia miendrika...dokambarotra. 

R.D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT