Politique

Minisitra iray maty any Mahajanga Ny PM sy ny minisitra sasany miala sasatra any Nosy-Be


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Banga ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Nodimandry tany Mahajanga ny tolakandron’ny sabotsy 20 aogositra, teo amin’ny faha- 65 taonany, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Ramanantsoa Rodolphe.

Mandritra izany dia miala sasatra any Nosy-Be ny praiminisitra Mahafaly Olivier sy minisitra vitsivitsy ao amin’ny governemantany. Ny fahafatesana moa tsy mampilaza, izy ireo mety efa nisafidy ny ho any amin’ny Nosy manitra, ka mety ho izay no nahatongavany tany. Ny minisitra lefitry ny raharaham-bahiny misahana ny fiaraha-miasa, Rafatrolaza Bary Emmanuel irery no hany mpikambana ao amin’ny governemanta tazana tao Mahajanga omaly, iray andro taorian’ny nitrangan’ny loza sady fotoana nitondrana ny razana tamin’ny fiaramanidina nihazo an’i Fianarantsoa. Omaly alahady dia mbola misy mahatsikaritra any Nosy-Be ireo mpikamban’ny governementa miaraka amin’ny praiminisitra, manao vakansy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT