Politique

Mikoropaka ny mpanohana ny FAT Tafiditra ao an-dapa ny mpamadika


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Maro amin’ireo milaza azy fa nitolona sy nanohana an’i Andry Rajoelina no mahatsiaro tena fa voafitaka ihany tamin’ny fizarana seza teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny tetezamita (CT), na mpitolona tsotra io, na mpanao politika na mpitarika fikambanana.

Amin’izy ireo mantsy dia ny olona efa niray tsikombakomba tamin’ny mpitondra teo aloha indray no toa nahazo vahana ao anatin’ireo rafitra misolo toerana ny Parlemanta ireo. Ny TIM, ohatra, dia toerana 73 no azony raha atambatra, tsy lavitr’izany koa ny an’ny Escopol. Ity sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika ity anefa dia iaraha-mahalala, hoy ihany ireto mpanohana ny FAT diso fanantenana ireto, fa ialokalofan’ireo mpikarama an’ady politika, tsy mena-mamadika palitao haingana. Tsy vitan’izany fa mbola nisy nanova mihitsy ireo anarana efa nifanarahana tsara izao tany aloha, ka tsy nahagaga raha hafa mihitsy no navoaky ny lisitra teny Anosikely sy teny Tsimbazaza tamin’ny fanononana ny anaran’ireo olom-boatendry. Manahy arak’izany ireto mpanohana ny FAT ireto fa sao dia voafitak’ireo mpanao politika sy mpanolotsaina manodidina azy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, ka manendry olona hanakorontana ny tetezamita avy ao anatiny fa tsy hanohy akory ny lamina efa napetraka. Ny tena tsy tantin’izy ireo moa dia ny nanomezana toerana maro be ny Tiako i Madagasikara. Tsy mbola tena azo antoka anefa, hoy ireto mpanohana ny FAT ireto na tena resy lahatra ny hiroso amin’ny fiaraha-miasa marina Raharinaivo sy ireo Parlemantera miaraka aminy, na manatanteraka tetikady politika fotsiny ihany. Raha atao tokoa mantsy ny kajikajy dia azo ambara fa matanjaka tokoa ao anatin’ny CST sy ny CT ny TIM miaraka amin’ny Escopol.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT