Politique

Mikoropaka ny FAT Navory maika tao Ambohitsorohitra ny foloalindahy


  • Alarobia 15 Jona 2011

May Ambondrona ! Nampanantsoina maika teny Ambohitsorohitra avokoa omaly ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy malagasy.

Naharitra ora iray sy sasany ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’i Andry Rajoelina sy Camille Vital. Raha tamin’ny 10 ora no nifandimby nigadona teny an-toerana ireo be galona dia nivoaka ny lapa kosa tamin’ny 11 ora sy sasany. Samy mai-molotra avokoa ny rehetra satria samy tsy nisy niloa-bava momba ny antom-pivoriana izay nanontaniana. “Mbola hivory izahay izao”, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André. Nanampy ny minisitry ny foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien fa eny anivon’ny ministeran’ny foloalindahy eny Ampahibe no hanatontosana io fivoriana io. Raha jerena amin’ny fihetsik’ireto farany dia azo heverina ho tena henjana dia henjana ny adihevitra tao anatiny. Tsy hitan’ny minisitra hatramin’izay toerana misy ny fiara mitondra azy mantsy, rehefa nivoaka ny Lapa izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT