Araka ny resaka nandeha sy nifamezivezy teto an-drenivohitra dia efa maro amin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny FAT no sahiran-tsaina amin’ny zava-mitranga nanomboka tamin’ny alarobia 17 novambra lasa teo.
Teo mantsy ny fahatsapan’izy ireo, araka ny resaka mandeha ihany fa ambany ny tahan’ny fandraisan’anjara ary azo antoka fa tsy ho ankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenea ny voka-pifidianana hivoaka eo. Ny Amerikanina moa dia efa nanambara mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka fa tsy afaka ny hanaiky ny vokatra izy ireo, ny Vondrona Afrikanina ihany koa dia efa hita soritra ihany fa hitsipaka izany. Manaraka izay, araka ny ritsoka re ihany dia mampatahotra fatratra ireo manampahefana sasany ireo ny fihetsiky ny foloalindahy, satria hita fa tsy sangisangy ilay izy fa zavatra tena matotra sy voadinika mialoha.
Tsy dia miseho vahoaka loatra ary misy misitrika any an-trano mihitsy aza, noho izany ireo ministra sy olona ambony sasany. Ao mihitsy aza araka ny tsiliantsofina re ihany ny efa manomana ny entana sy ny valizy sao tsy maintsy hifindra lasy na hitsoaka tampoka. Maro mantsy no efa mahafantatra fa raha sanatria ka raikitra ny gidragidra dia efa manana ny fomba hialany haingana eto Atoa Andry Rajoelina sy ny fianakaviany, saingy ho tavela eo kosa ireo manampahefana sasany izay tsy voatery manana planina efa voaomana mialoha. Fehiny dia ao anatin’ny fikoropahaa efa ho telo andro izao ny ao ambonimbony ao ary misesisesy ny fivoriana etsy sy eroa. Toa mampatsiahy ny tantara izany, satria tsy nifanalavitra tamin’ny zava-nitranga tamin’ny febroary sy martsa 2009 mialoha ny nirodanan’ny fitondrana Ravalomanana ny fihetsiky ny mpitondra amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.