Politique

Mikatso ny diniky ny samy Malagasy Ho avy hanome tanana i Joaquim Chissano


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Hisy amin’ny herinandro ambony ny fihaonan’ny iraka manokan’ny SADC amin’ireo antoko politika eto amintsika, ary araka ny tsiliantsofina re dia mety i Joaquim Chissano no hitarika ny delegasionin’ny SADC ho avy eto Madagasikara.

Tohin’ny fanelanelanana ataon’ny vondrona iraisam-pirenena moa izany rehetra izany mba hikarohana vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Azo adika koa izany fa tsy nahomby ny fifampiresahana teo amin’ny samy Malagasy ary mety hiverina hitarika ny fanelanelanana indray ny vahiny, ka ny SADC no hiandraikitra azy. Nijery sy nandinika fotsiny ny fifampiresahana teo amin’ny samy Malagasy ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy niditra mivantana mihitsy. Hita mibaribary anefa izao fa nandamoka ilay izy ary tsy nahitana vokatra mivaingana fa nihodinkodina manodidina ny fizarana seza sy ny ady varotra politika fotsiny. Ny fiarahamonim-pirenena sy ny Raiamandreny Mijoro aza dia manomboka mahazo fanakianana mavaivay, indrindra fa avy amin’ny mpomba ny FAT. Midika ireo fa tsy misy azo antenaina firy amin’ny diniky ny samy Malagasy fa tsy maintsy miditra an-tsehatra handamina ihany ny vahiny. Ny olana amin’ny fitarazohan’ny famahana ny krizy dia miha manatona ihany ny daty voalaza fa hanaovana ny fihaonambem-pirenena, sy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, ary maro no velon’ahiahy sahady fa tsy ampy amin’ny fanazavana izay lalàmpanorenana hampisafidianana ny vahoaka ny fotoana.

Raha hotazomina ihany ny datin’ny 17 novambra hanaovana ilay fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Mbola voaporofo koa izao fa tena tsy afa-bela amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba isika, ary io ihany no manankery eo imason’izao tontolo izao. Efa hita taratra tamin’ny soso-kevitry ny sehatra ifanakalozan’ny antoko politika tokoa mantsy fa ny satan’i Maputo no navadibadika, fa tsy tena nisy ny zava-baovao. Ary na dia manaiky ny fifampidinihan’ny samy Malagasy aza ny avy any ivelany, dia nametraka mazava fa tsy tokony hisy fanovana be ny zavatra efa nekena sy nosoniavina, araka ny nambaran’i Joaquim Chissano tamin’ny fandalovany farany teto Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT