Politique

Mikatso ny diniky ny Malagasy Hiditra an-tsehatra ny SADC


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Tapaka nandritra ny fivoriambe faha-30 nataon’ny SADC tany Windhoek renivohitr’i Namibia ny volana aogositra 2010 teo ny hanokafana Birao fifandraisan’ny SADC eto Antananarivo.

Hanara-maso ny fivoaran’ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara no antom-pisiany. Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ity herinandro ity, ny 29 septambra 2010, no ho avy ny iraky ny SADC hametraka io Birao fifandraisana io. Ny teo anivon’ny FAT, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny raharaham-bahininy, dia efa nilaza fa tsy mametraka olana amin’ny hisian’io birao io. Dia mbola nampian’ireo mpikambana FAT sy ireo mpanao politika eo anivon’ny ESCOPOL indray taty aoriana fa dia tsara ny hahatongavan’ny SADC eto hanazavana amin’izy ireo ny dingana vitan’ny samy Malagasy (?) amin’ny famahana ny krizy. Marihina fa mialoha izao hanokafana ny birao izao dia efa nandefa iraka teto ny SADC, dia ny delegasiona notarihin’ny Dr Leonardo Simao, vao vita ny fivoriana tany Windhoek iny.

Nanaraka akaiky ny asa fanelanelanana nataon’ny CNOSC teny Vontovorona nanomboka ny 25 aogositra ity iraka ity. Ny CNOSC izay eken’ny firehana politika eto an-toerana handray an-tanana ny fampifanatonan’ny mpanao politika hitadiavana vahaolana amin’ny krizy, no nahazo tsodranon’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo. Hanamafy ny fisiany eto ny SADC amin’ny fanokafana io birao io. Mitranga izany rehetra izany taorian’ny resaka nandeha tamin’ny tsy nahazoan’ny iraky ny FAT nandray fitenenana nandritra ny fivoriambe faha-65 nataon’ny Firenena Mikambana tany New York farany teo. Ho an’ny SADC dia tsy namaha olana ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato farany teo ireny.

Ny fanokafany ity birao ity aza dia midika fa tsy nahomby, tsy arakaraka ny ivoizan’ny FAT azy, ny diniky ny samy Malagasy. Izao fahatongavany eto izao koa aza toa manaporofo fa manahy izy ireo sao hitatra amin-javatra hafa ity krizy ity, indrindra mandrangaranga sy misisika hanao fifidianana samy irery ny FAT. Azo antoka fa tsy hitazam-potsiny ny SADC fa hiditra an-tsehatra mihitsy, hampiasa ny fitaovana rehetra, satria halohalika ny ranombary.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT