Politique

Mijoro ireo Depiote TIM Ampy izay ny antsojay !


  • Zoma 11 Novambra 2016

Nanazava ny zava-nisy ny harivan’ny alarobia lasa teo ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra teny Analakely omaly

 

. Naneho ny fahitany ny momba ity raharaha ity ihany koa ireo solombavambahoaka Tiako I Madagasikara teny Tsimbazaza. Hevitra iombonan’ny roa tonta ny tsy maintsy hanohizana ireo ezaka fanarenana sy fanadiovana ny renivohitr’i Madagasikara.

Misokatra ny fanadihadiana

Efa nifampiresaka ny teo amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra notarihan’ny kaomisaria foibe niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana sy ny teo anivon’ny tafika nosoloin’ny lefitra faharoan’ny lehiben’ny Etamazaoro tena, hoy ny talen’ny kabinetran’ny ben’ny tanàna Rabarijaona Jean Claude. Nanokatra fanadihadiana sy famotorana ireo polisy monisipaly 34 avy hatrany moa ny kaominina. Mandray an-tanana ny raharaha ihany koa ny zandarimariam-pirenena eny Ankadilalana. Miantso ny tsirairay tsy hiroboka ao anatin’ny fihantsiana sy ny fihoaram-pefy kosa ny tompon’andraikitra ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dalàna, ny fifanajana ary ny fifanomezan-tanana mantsy no hanatrarana ny tanjona napetraka dia ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy.

Ohatra ratsy

Manameloka ny fanaovana antsojay ny kaominina Antananarivo Renivohitra kosa ireo depioten’i Madagasikara avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Hentitra moa ireto farany nilaza fa fandikan-dalàna, fanamparam-pahefana miaraka amin’ny fanaovana amboletra no niseho tao amin’ny lapan’ny tanàna ny alarobia hariva teo. Tsy vao izao rahateo no niseho izany fa efa nisy ny tranga mitovitovy tamin’io nataon’ny manamboninahitra miaramila teny Anosipatrana, volana vitsivitsy lasa izay. Mampalahelo raha ireo mpitandro ny filaminana natao ho modely indray no manome ohatra ratsy ny vahoaka taizana, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafimanantsoa Hanitra. Efa niresaka io tranga mamohehatra io tamin’ny praiminisitra ireo solombavambahoaka TIM nandritra ny fandalovan’ity farany teny Tsimbazaza omaly ary mbola hihaona amin’ireo minisitra tompon’andraikitra mivantana ihany koa mba tsy hiverenan’ny zavatra mahamenatra toy ireny intsony.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT