Politique

Mihena andro aman’alina ny herin’ny FAT, hoy ny Alliance demokratika


  • Zoma 25 Jona 2010


Namokatra ny zavatra nataontska tato anatin’ny herintaona sy tapany, hoy ingahy William, avy amin’ny Alliance demokratika. Tsy nitombo hery ny FAT, hoy izy, fa mihena hery andro aman’alina ka izay no mahatonga azy mampiasa herisetra, fisamborana sy fanagadrana. Fitondrana malemy, hoy izy matoa manao fitaovana ny fampihorohoroana. Ankoatra izay dia nambarany fa felaka tehamaina foana no nahazo ny FAT sy ny frantsay tato ato. Ohatra nivaingana tamin’izany zava-nitranga tany Nice, nilazan’ny firenena afrikanina fa tsy hanatrika ny fihaonana frantsafrika raha toa ka ho any i Andry Rajoelina, ny filazan’ny masoivoho sinoa fa ny fanapahan-kevitr’izao tontolo izao ihany no harahiny ary ny tenin’ny filoha amerikanina fa ny tenierana ihany no vahaolana. Izao tontolo izao no efa tsy manaiky io fanjakana io, araka ny fanazavana ihany ary mankasitraka ny tolona hataon’ny vahoaka Malagasy. Tetsy andanin’izany dia fantatra fa handray toromarika ireo mpitolona amin’ity andro ity. Tsy ekena ny fanapahan-kevitra olon-tokana izay nosazian’izao tontolo izao. Tanindrazantsika i Madagasikara, isika Malagasy no tompony ka samy mahalala ny tokony hataony amin’ny fanamarihana ny 26 jona ny tsirairay. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT