Ny alin’ny alarobia teo no niala teto an-tanindrazana ny praiministra Camille Vital. Izy telo mianaka mihitsy no niara-niala teto.
Izy ny sy ny vadiny ary ny zanak’izy ireo iray. Tamin’ny 1 ora maraina no niakatra ny zotram-piaramanidina Air France izy ireo. Tao amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle no nidina izy ireo omaly maraina. Hatramin’izao dia tsy misy fampitam-baovao ataon’ny sampana serasera avy amin’ny fiadidian’ny praiminisitra manazava mikasika izay nalehan’ity tompon’andraikitra ity. Amin’izao mafampana eto amin’ny firenena izao no tsy hita tampoka ity jeneraly ity. Dia ho sanatria ve nitsoaka ady sahady ? Inoana fa hisy ny fanomezam-baovao mikasika izany anio. Ho hita eo.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.