Politique

Mihamafy ny fitakiana Avoahy ireo gadra potika !


  • Talata 20 Jolay 2010

Tsy nanakana ny mpomba ny ankolafy telo ho avy maro tao Behoririka ny hirifirin’ny hatsiaka omaly. Mandray an-tanana ary mavitrika mihitsy amin’ny fanentanana ny andriambavilanitra tato ho ato izay.

Nanamafy izany ny fanambarana nataon’ny vehivavy legalista ny sabotsy 17 jolay teo miantso ny vehivavy Malagasy rehetra tsy hamela ity firenena ity hoviravirain’ny fahavalom-pirenena. Nanao hetsika manokana ka nifampitaona avy eny anivon’ny boriborintany eny ny samy vehivavy manomboka omaly alatsinainy ary hitohy tsy tapaka izany hetsika izany mandra-pahatongan’i Joaquim Chissano eto, hanohy ny dinika fitadiavam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. “Tsy mivorivory fotsiny fa mianatra politika, mianatra fitiavan-tanindrazana”, isika hoy Rtoa Lalao omaly nanentana ireo namany, ary nanamafy fa “mendrika homena diplaoma isika rehefa mifarana ny tolona”. Ho fampiharana izany dia mifampitaiza ho amin’ny fahaizana mifampizara sy mifanohana ny mpitolona avy amin’ny ankolafy telo. Tetsy ankilan’izay dia nanamafy ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo ireo nifandimby nandray fitenenana tao Behoririka omaly. Andaniny dia mikasika ny fisisihan’ny FAT amin’ny alalan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena hanao fikaonandoham-pirenena izay hialohavana dinika santatra ato ho ato. Hentitra ny ankolafy telo milaza sy manamafy ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra potika, ny hamela malalaka ireo Malagasy sesitany hody an-tanindrazana, ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra sy mahazo vaovao, dia iaraha-manomana sy mikarakara izany dinika santatra izany mba ho ny daholobe no miara-manatanteraka azy. Nasian-teny ihany koa ny amin’ny fifampihavanam-pirenena, izay tokony hoheverina ny hanaovana ny isam-paritra mba tsy ho Repoblika miorina ambony fasika no hijoro eo.

Teny fampieritreretana ny miaramila moa no nataon’i Ignace, raha naharo tanindrazana marina ny tafika manoloana ity fandripahana “bois de rose” ity, ary raha maharo vahoaka marina ny foloalindahy, satria dia mila ho isan’andro no ahitana an-gazety vonoan’olona etsy, herisetra aroa ary ny fandrobana sy fanaovana barofo ny fananan’olon-tsotra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT