Niakatra iray indray ny maripana amin’ny disadisa misy eo amin’i Alain Ramaroson sy ry Hajo Andrianainarivelo.
Nilatsahan’ny zandary avy amin’ny sampana mpanao fikarohana heloka be vava nampian’ny Emmo-Reg vao maraina teny amin’ny manodidina ny tokantranonin’i Alain Ramaroson. Nitondra ny “mandat d’amener” avy amin’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, mampiantso azy halaina ambavany eny Fiadanana momba ny fitoriany an’i Hajo Andrianainarivelo sy ny fitoriana mahakasika azy nataon’ity praiminisitra lefitra ity ihany koa ireo zandary ireo araka ny fanazavan’ny lehibeny teny an-toerana. Nilaza koa ity farany fa rehefa tsy namaly ny fampiantsoana azy i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitry ambonin’ny tetezamita, dia namoaka io didy fanerena azy io ny mpampanoa lalàna. Tsy niala teo amin’ny vavahadin’ny trano fonenan’i Alain Ramaroson ireo zandary nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina ka mandrapahariva ny andro.
Nosavain’izy ireo avokoa moa ny fiara nivoaka avy ao amin’ny fonenan’i Alain Ramaroson rehetra ka isan’izany ny fiara mpitondra ny minisitry ny mponina Vaomalala Olga. Nampisendoatra an’i Alain Ramaroson manokana izay fihetsik’ireto mpitandro filaminana ireto izay. Fanalam-baraka azy sy ny andrimpanjakana misy azy kosa ny fandefasana zandary mirongo basy hitondra azy eny Fiadanana ka nilazany fa “madio ny tanako satria tsy namono olona tamin’ireo tolona telo notarihako hatramin’izay ary tsy nangalatra harem-pirenena koa”. Raha ny heviny dia misy fikasana hanapenam-bava azy sy ireo vaomiera natsangana eo anivon’ny CST hanadihady momba ireo raharaha 7 mafana eto amin’ny firenena amin’izao ny zava-nisy omaly. “Na dia ezahana sakanana aza ny fanadihadiana dia tsy maintsy fantatro kosa izay nahafaty ny zanako (Itompokovavy Ramaroson Nadine)”. Nampiany fa noho ny tolona nataony no nahazoan’ny mpitondra rehetra ankehitriny ny toerany ka nahatonga azy hametra-panontaniana raha izao valim-pitiany. Hitohy ity tantara ity hoy izy.
Tsy voahaja ny lalàna
Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fampiantsoana azy antery eny Fiadanana ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny CST sady filohan’ny vaomiera manokana hanadihady ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena. Vao nahare ny zava-misy rahateo ireo mpikambana CST dia naneho firaisankina taminy. Voalohany amin’izany ny filohan’ity andrimpanjakana ity, ny jeneraly Rasolosoa Dolin izay nandefa taratasy tany amin’ny mpampanoa lalàna sy ny mpampanoa lalàna ankapobeny manazava ny fandikana ny lalampanorenana amin’ilay fepetra noraisina. “Araka ny andininy faha-73 sy 116 ao amin’ny lalampanorenana dia tsy azo enjehana amin’ny heviny ny parlemantera mandritra ny fotoam-pivoriana. Izay no atao hoe : “irresponsabilité parlementaire”. Ankoatra izay dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny birao maharitra koa vao azo atao ny manenjika parlemantera aorian’ny fotoam-pivoriana”, hoy i Me Andry Iankinana, mpisolovavan’i Alain Ramaroson raha nanazava ny votoatin’ilay taratasy nampitain’ny filohan’ny CST.
Niaiky ny tsy maha ara-dalàna ny dingana narahana moa ny mpampanoa lalàna ka andrasana izay tohiny raha ny fanazavan’ity farany ihany. Fa maro tamin’ireo mpikambana CST, indrindra ireo filoham-baomiera manokana no nirohotra teny Andoharanofotsy omaly. Isan’izany Raharinirina Jacques Aimé (Tambatra), Rasambozafy Cyrille (EXOPOLES), Rabetsaroana Sylvain (AVI), Ramasy Adolphe (ESCOPOL), Tsiranana Pierre (UDR-C), Betiana Bruno, Vaovao Benjamin (Arema), Lecacheur Henri, Fanantera Longin Louis (Ankolafy Ravalomanana)… Ny fomban’ny amiraly fahiny no ampiharina, hoy ny filohan’ny EXOPOLES izay nampahatsiahy fa rehefa lasa any ivelany i Zandry Kely dia kotabaisina ny eto an-tanàna. Ho an’i Vaovao Benjamin indray dia tsy misy antony nanaovana ny tolona tamin’ny 2009 mihitsy raha ny fihetsiky ny mpitondra satria ny fomba ratsy teo aloha ihany no miverina. “Nifampitory ireo olona ireo ka nahoana ny andaniny iray ihany no hanaovana fanadihadiana fa tsy misy resaka kosa momba ireo olona ahiahian’ny fianakaviana ho namono ny zanany”, hoy izy .
Mihevitra kosa Ramasy Adolphe fa noho ny fisian’ny mpitondra fanjakana ambony voarohirohy amin’ny raharaha maloto maro no mahatonga ny ramatahora. Hiray hina hatrany anefa ny parlemantera araka ny toky nomeny ary “tsy misy mifankatahotra eto”. Namoaka tsiambaratelo kosa ny CST Rabetsaroana Sylvain izay namboraka fa efa nisy ny fampihaonana an-dry Andrianainarivelo Hajo sy ny fianakaviana Ramaroson nosoloin’ny minisitry ny mponina, Vaomalala Olga, tena nandaminana ny raharaha mampifanolana azy ireo. Ny CST Rabetsaroana Sylvain no nampiantrano ilay fihaonana izay notontosaina teo anatrehan’ny mpanolotsaina manokanan’i Andry Rajoelina iray. Nifaranaka ny roa tonta tamin’io, hoy izy fa samy hisintona ny fitoriana satria mampalemy ny fanjakana ny disadisan’izy ireo. Nanatsoaka ny azy ry Ramaroson fa tsy nanaja ny teniny kosa ny sasany, hoy Rabetsaroana, dia lasa resaka “bordel” ny raharaha ankehitriny satria miharihary izao fa ny FAT ihany no mamboly korontana tsy mampisy fitoniana takian’ny tondrozotra eto.
Yves
Sary : Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitry ambonin’ny tetezamita
Nisy mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita nilain’ny fitsarana ny fihainoana azy noho izy voarohirohy tamin’ilay raharaha “bois de rose” sarona tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Tsy nisy alaharo ny fisamborana sy ny fitsarana ary ny fampidirana am-ponja azy. Fitsarana hafa ve tamin’izany, ary hafa ny amin’izao, fa tena “bordel” izy ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.