Niala tamin’ny fahanginany ny zandarin’ny Hery Vonjitaitra na FIGN eny Fort Duchesne. Nanao fanambarana izy ireo omaly raha ny foloalindahy tamin’ny ankapobeny no nandrasan’ny maro hanao izany.
Indroa miantoana ny fivoakan’ny fanambarana. Ireo manamboninahitra lefitra no nisantatra izany omaly misandratrandro miantso ireo manamboninahitra rehetra na aiza na aiza misy azy ireo hiverina an-dakazerina ary koa miantso ireo manamboninahitra lefitra rahalahin’izy ireo ao amin’ny tafika sy ny «Hommes de troupe» hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra hamerenana ny hasin’ny tanindrazana. Tsy nahasakana ireto manamboninahitra lefitra ireto haneho ny heviny ny fandraran’i Camille Vital azy ireo tsy hampiantso mpanao gazety ka hilaza ny raharahan-tokantranon’izy ireo, raha tonga teny nandamina ny raharaha FIGN amin’ilay resa-bola 500 tapitrisa ariary sy ny fitakiana fanalana tamin’ny toerany ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena ny tenany ny 10 martsa 2010. Omaly tolakandro dia mbola nitohy ny fanambarana. Niakatra mihitsy ny feo. Nilaza ny FIGN fa nataon’izy ireo ihany ny tsy hiteny manoloana sy zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny. Efa betsaka ny fitadiavam-bahaolana nataon’ireo mpanao politika na teto an-toerana izany na tany ivelany mba hamahana ny krizy misy eto, kanefa toa vao mainka miroso mankany anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena malagasy.
«Komity Miaramila»
Mampahatsiahy ireto miaramilan’ny FIGN ireto fa ninia tsy nitsabaka tamin’ny fitadiavam-bahaolana ny foloalindahy hatrizay kanefa ankehitriny kosa dia «tsy afaka ny hijery fotsiny izahay fa efa halohalika ny ranombary ary izahay sisa no hany handrandrain’ny mpiray tanindrazana hamaha ny olana misy, amin’ny maha farafanantenan’ny fiandrianam-pirenena anay». Misy ny fitadiavam-bahaolana teo anivon’ny foloalindahy niantsoana ireo manamboninahitra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, hoy ihany ny fanambarana, kanefa «tsy misy ny hevitra tapaka hatramin’izao fa toa adihevitra mirona amin’ny fitadiavana tombontsoa sy fiarovan-tseza no mibahan-toerana». Nanao antso amin’izay miombon-kevitra aminy ireto miaramilan’ny FIGN ireto satria «tsy misy lalana hivoahana amin’izao krizy izao raha tsy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny foloalindahy mba tsy hisian’ny fanapahan-kevitra samirery amin’ny fitantanana ny tetezamita». Nilaza izy ireo fa «tokana ny foloalindahy ary tsy mitanila amin’ny firehana inona na inona, ka ny ‘Comite Militaire’ na Komity Miaramila izay hajoro dia hisokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra mba hisian’ny marimaritra iraisana amin’ny fitantanana ny tetezamita». Izay no atao, hoy ihany ny fanambarana dia «mba hiverenan’ny fitokisan’izao tontolo izao sy hanomanana amin’ny fotoana faran’izay fohy sy haingana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hitantana ny Repoblika fahefatra».
Hentitra koa ny filazan’ireto miaramila ireto mikasika ny fandraisana anjaran’ny foloalindahy amin’ny governemanta hisisihan’i Andry Rajoelina hajoro. Efa nanda ny «directoire militaire» ny foloalindahy tamin’ny 17 martsa 2009 ka tsy tokony hijabaka amin’izany indray, hoy izy ireo. Nanamafy ny fiambenana ny toby izy ireo taorian’ny fanambarana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.