Politique

Miaramila Terena tsy maintsy hifidy avokoa


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

Nanome baiko mihitsy ny ministry ny Foloalindahin’ny FAT omaly ho an’ny miaramila rehetra eran’ny Madagasikara.

Mitatra hatrany amin’ny vady aman-janak’izy ireo izay ampy taona koa izany. Manahy mafy ny amin’ny tsy fisian’ny mpifidy ny FAT ka izay afaka manery izao dia manery avokoa, anisan’izany ny eny anivon’ny tafika. Sambany teo amin’ny tantara no nisy tahaka izao. Tsy ferana ihany koa ny tetikady efa voaomana ny amin’ny fitaomana ny miaramila hifidy amin’ireny birao fandatsaham-bato ireny. Ny fisehoan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny jeneraly Randrianazary teo akaikin’ny ministry ny Foloalindahy dia milaza fa voakasika ao anatin’izany ihany koa ny zandary sy ny ankohonany tsirairay avy. Tetsy ankilan’izay dia nilaza koa ireto jeneraly roa ireto fa lainga avokoa, satria fieritreretana ny miaramila ho marivo salosana, ny filazana ny amin’ny mety hisian’ny fandraisam-pahefana ataon’ny miaramila. Voaresaka koa ny trakta miely mitantara ny haren’ireo mpitantana ambony eo anivon’ny foloalindahy ka maha voatonona ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT