Tompon’andraikitra ambony 20 be izao no nosoloina teo anivon’ny foloalindahy tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly. Ny tafika no tena voakasik’izy ity.
Fandaminana asa ve sa fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny zavatra hafahafa ? Betsaka ihany mantsy ny resaka mandeha momba ny foloalindahy eto amintsika eto, ary raha ny zava-nitranga teny Analakely omaly dia voaporofo indray fa tsy voafehy ny miaramila Malagasy fa rehefa te hivoaka ny toby ny andiana miaramila mitondra basy dia mivoaka amin’ny ora tiany ary sahy mandeha eny amina faritra mena sy biraom-panjakana tahaka ny eny amin’ny lapan’ny tanàna misy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Tsy azo natao mihitsy ve ny nifampiresaka tsotra ka ny samy tompon’andraikitra no nifanatona ? Tsy maintsy tonga niaraka tamin’ny basy ve ireo miaramila ? Efa fantatra tsara anefa fa tsy manana fitaovam-piadiana ny polisy monisipaly. Inona no eritreritr’ireto andiana miaramila ireto ? Hanao fitsarana miaramila tamin’ny olona nambara fa nikasi-tanana vadina miaramila ve ? Moa tsy efa misy ny polisy afaka manadihady ny zava-nitranga ary eo koa ny fitsarana hanohy ny fanadihadiana raha ilaina ? Fa nahoana no tonga dia mitrifana tahaka izao ny miramila ? Ny tandroka aron’ny vozona indray ve no manao fihetsika tsy voahevitra tahaka izao ary tena mampiana-dratsy ny vahoaka ? 14 andro mialoha ny fivorian’ny Frankofonia no itrangana zavatra hafahafa tahaka izao eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Miaramila mitam-basy iray kamio tonga masiaka eny amin’ny toeram-piasan’ny ben’ny tanàna. Dia ho gaga ve isika rehefa avy eo raha vaovao ratsy no mivoaka any ivelany momba an’i Madagasikara e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.