Politique

Miandrivazo Lasa resaka politika ny fizarana “kits scolaires”


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao Miandrivazo amin’ny ataon’ireo tompon’andraikitra misahana ny fampianarana sasantsasany ao an-toerana amin’izao fotoana izao.

Ny fizarana ireny kojakojam-pianarana fanome ny mpianatra na “kits scolaires” ireny no misy resaka hafahafa. Tohana ara-pitaovana fanomen’ny fanjakana ny mpianatra sy ny mpampianatra maimaimpoana ny “kits scolaires”, hoy ireto ray aman-dreny ireto. Ny fitondrana Ravalomanana no nanao izany ary nahitana fahombiazana, ary dia notohizan’izao Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Gaga anefa ny any Miandrivazo fa amin’ny anaran’ny sehatra politika DEFI izany indray no ambaran’ny mpizara fa manolotra ireo kojakojam-pianarana ireo.

Mandeha mantsy ny feo fa manam-paniriana hilatsaka hofidiana solombavambahoaka ao Miandrivazo ny mpizara ireto “kits scolaires” ireto ka manao izany ho fitaovana hambaboana ny fon’ny olona, amin’ny alalan’ny propagandy ankolaka. Tsy vitan’izay fanararaotana politika izay ihany anefa fa mbola arahina ramatahora koa ireo mpampianatra tsy manaraka azy ireo ary tsy vitsy, hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mpampianatra tratry ny famindran-toerana amin’izao efa an-tenantenan-taona izao. Ny zo sy ny hoavin’ny zanakay mihitsy no voatohintohina eo anatrehan’izany, hoy ireto ray aman-renin’ny mpianatra manoloana izany, ka anaovan’izy ireo antso fanairana. 

Jean D.           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT