Politique

Miala any ny jadona Hosamborina avy hatrany izay migrevy


  • Alarobia 31 Mey 2017

Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no zava-dehibe ka mila alamina daholo ireo sehatra misy na manomboka misy fitokonana amin’izao fotoana.

Izay no baiko nomen’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier nandritra ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly teny Mahazoarivo. Efa nahazo ny toromarika ny amin’izany ireo ministera rehetra voakasika anisan’izany ny minisiteran’ny fampianarana ambony noho ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra, niitatra tany amin’ny mpampianatra mpikaroka avy eo. Fa eo ihany koa ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izay miahy ny fadin-tseranana izay niditra tamina fitokonana ihany koa tamin’ity herinandro ity. Fa noresahana maharitra teny Mahazoarivo koa omaly ny resaka fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nilatsaka ny didy ary tsy azo atao ny mivorivory sy manao fihetsiketsehana an-dalambe amin’ity volana jona ity, izany dia mba ho fitandroana ny filaminana noho ny fanamarihana ny faha 57 taona niverenan’ny fahaleovantena.Nahazo io baiko hentitra ion y manampahefana isan-tsokajiny, indrindra fa ny eto Antananarivo ary mampihatra avy hatrany ny lalàna.Misy ny tsilintsofina re fa toa hoe manam-baovao momba an’ireo olona mikasa ny hidina an-dalambe hanao fitakiana ny fitondram-panjakana ka ny azy no nalefany aloha. Manomboka mafana rahateo ny toe-draharaha politika ary totoafo ny fanakianana ny fitondrana. Etsy an-kilany, efa tsikaritra manambatra hery ireo sokajiana ho mpanohitra ary mivory isaky ny mihestika mametraka paikady.Tsy misy izany eto ny indra-fo fa hisambotra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ireo midina an-dalambe, raha ity fanapahan-kevitry ny governemanta ity no jerena, fihetsika izay efa miendrika didy jadona.Vao afak’omaly rahateo no nanizingizina ny antoko HVM fa matanjaka sy mahavita azy, izany hoe tsy mila ny hafa ary tsy mila sembatsembanana amin’ny zavatra ataony.Andrasana izay ho fihetsik’ireo mpanohitra ny fitondrana. Hifitsaka ve satria matahotra fisamborana sa ho sahy hihetsika ihany ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT