Ny zo mifidy, ny zo miteny, ampahany amin’ireo zo fototra ireo ary raha ireo no tsy voaaro dia mahatsiaro ho lavitra na tsy ao anatin’ny fahalalahana sy ny fahafahana ny olona iray.
Mila arovana ny zo dia mifanaja ao anatin’izany satria izay no harena ivelaran’ny tsirairay. Nivoitra izany nandritry ny loabary an-dasy nokarakarain’ny MFM (Mitolona ho an'ny Fandrosoan'i Madagasikara) rantsana Analamanga sy Antananarivo Renivohitra ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana. Tafiditra indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ity antoko naorian’i Manandafy Rakotonirina ity, ary fotoana ihany koa nifampirarian’ireo mpikambana ny soa amin’izao taona vaovao izao. Anisan’ny nodinihina sy niadian-kevitra tamin’ny hoe «Inona no masaka ?» ny momba ny “libéralisme” izay adika tsotsotra ho fizorana ho amin’ny fahafahana. Efa am-polony taona maro tokoa no nitolomana ho amin’izay fahafahana saingy hatramin’izao dia tsy mbola tonga amin’izay notratrarina.
Gaboraraka no fiheveran’ny sasany izany “libéralisme” izany. Nambaran’i Manandafy Rakotonirina fa tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fitomboan-karena. Tsy azo ialana ny “libéralisme économique” , hoy izy. Momba ny fiainan’ny antoko indray dia saika mpanohitra hatrany ny MFM hatramin’izay nijoroany. Araka ny fahitan-dRaveloson Constant azy dia ny karazam-panjakana na ilay atao hoe “système” eto amintsika mihitsy no mila ovana. Rehefa fifidianana, hoy izy dia mivarotra hevitra maika ny ankamaroany. «Mila mifaninana amin’ny fifidianana rehefa haka fahefana», hoy ihany Raveloson Constant izay nanamarika fa sarotra ny hino fa hisy izay fifidianana izay amin’ny fotoana efa voatondro dia ny 8 mey amin’ity taona ity. Ny Mafana ihany aloha hatreto no hany mpikambana ao amin’ny antoko Liberaly maneran-tany, tamin’ny taon-dasa kosa no nahatafatsangana ny birao kaontinantaly ho an’ny tanora amin’ireo firenena 24 aty Afrika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.