Tsy misy foto-kevitra hijoroana fa voavidim-bola aman-karena ireo mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny, raha ny fahitana azy.
Tsy misy afa tsy ny mersenera politika mpivadibadi-dela sisa no miara-dalana aminy ankoatra ny antoko HVM izay efa toa mifamely an-toerana. Nijoro tamin’ny faran’ny herinandro teo ny vovonana Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana (FFT). Ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fitsipaham-pitokisana ny filoha sy fanalana ny praiminisitra no nijoro sy nilaza fa miaro ny filoham-pirenena ka mivondrona ao anatin’ity vondrona ity. Izao koa dia nijoro ny vovonana Sahia ry Gasy Ndao (SGN) izay milaza fa miaro ny repoblika faha-4 sy ny filoham-pirenena. Mifanipa-kevitra sy mifanenjika ireo vondrona samy milaza ho manohana ny filoha ireo ankehitriny. Tsy nisalasala Rakotomanga Louis avy amin’ny SGN nilaza omaly fa tokony hitandrina ny filoha amin’ireo olona milaza fa manohana azy satria ireo ihany no efa saika handrodana an-dRajaonarimampianina. Miady ny tombontsoa sy vidin’ny fanohanana izy ireo raha ny fahitana azy ary mety tsy ho menatra ny hivadika raha misy manambitamby sy manome vola bebe kokoa. Ny fanjakana rahateo zara raha misy mpanohana ka tsy maintsy mitady olona sy mampiasa vola be, ka izao miady an-trano izao indray ny mpikarama an’ady politikany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.