Politique

MERI Nanisana Nitokona ny mpiasa, namono afo i Yves Aimé


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Nitokona ireo mpitady asa nomen'ny ministeram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana (MERI) toky fa horaisina.

 Omaly maraina tontolo no nitrangan'io tetsy Nanisana foiben-toeran'ity ministera tantanan’i Yves Aimé Rakotoarison ity. Nisy anefa ny toromarika nomen'ny tompon'andraikitra tamin'ireo mpandray teo am-bavahady fa tsy azo ampidirina ny mpanao gazety, noho izany tsy nahazoana ny heviny ireo tompon'andraikitra tao amin'ity ministera iray ity. Ny hany azo tamin'ireo mpandray teo am-bavahady dia ny hoe "Raharahanay ny ato fa tsy misy hidiranareo !". Raha nanontaniana an-telefaonina ihany koa ny tompon'andraikitra iray dia zendana sy niseho ho tsy nahalala na inona na inona akory. Na izany aza, nahazo vaovao tamin'ireo nitokona ihany izahay teny an-toerana. Raha ny voalaza dia nampanantenaina ireo olona nitady asa efa an-jatony fa horaisin'ny ministera avokoa. Hatramin’izao anefa, hoy izy ireo, efa mananika ny roa volana izay, tsy misy na taratasy mamoaka ny anarana maha mpiasan'io ministera io akory aza.

Ankoatra izay, misy ireo mpiasam-panjakana efa hatry ny ela nafindra ao amin'ity ministera ity, no tsy mbola nandray ny tambin-karamany hatreto. Rehefa niely tamin'ny onjam-peo samihafa teto an-drenivohitra ity seho tao amin'ny MERI tetsy Nanisana ity dia avy hatrany dia namono afo ny minisitra Yves Aimé Rakotoarison, ka nilaza fa hivoaka anio alakamisy ny lisitr'ireo izay voaray hanatevin-daharana ny mpiasa ao amin'ity ministera ity. Anio no ho fantatra ny mety ho tohiny !

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT