Omaly no voalaza fa tokony ho nivoaka ny listr’ireo mpiasa hoe voaray hiasa eo anivon’ny ministeram-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana tantanan’i Yves Aimé Rakotoarison.
Olona an’arivony, ka tanora ny ankamaroany, no hita nitandavana teny Nanisana hoe hijery izany. Tsy nivoaka anefa ny lisitra, ireo mpiasa rahateo tsy tafiditra teo anivon’ny ministera. Ny minisitra ihany koa tsy tazana teny. “Fampanantenana paokaty no nataon’ny minisitra taminay, mitaky ny zonay izahay”, hoy ireo mpiasa nimenomenona teo am-piandrasana ny fivoahan’ny lisitra. “Izy no nitady mpiasa ary dia noraisina ny dosienay”, hoy ihany izy ireo. Araka ny fanazavana dia nisy tamin’ireo mpiasa ireo no nandoa vola mba hahazoana asa, hampidirana azy ho mpiasam-panjakana eo anivon’ity ministera ity. Raha ny fanazavana ihany dia tsy avy eto an-drenivohitra ihany ireo olona ireo fa misy ireo avy any amin’ny faritany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.