Politique

Mektoub Camille «Mitohy ny tolona»


  • Zoma 28 Mey 2010

Na dia tsy misy intsony aza aloha hatreto ny fanamafisam-peo satria noraofin’ireo miaramilan'ny Emmo-Reg izany ny sabotsy 22 mey teo, dia mitohy hatrany ny hetsika fitakiana hamerenana ny ara-dalŕna eto Madagasikara, hampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba.

Tsy misy intsony rahateo ny onja-peo manome vaovao manokana momba io hetsi-bahoaka io taorian’ny nanakatonana ny radio Fahazavana ka eny an-kianja no hifampitan’ireo mpitolona vaovao. Mirangorango amin’ny resa-bola ny FAT amin’izao fotoana izao. Efa am-bolana maro tokoa manko izay no tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany ka hita fa dodona ery izy ireo hanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny oriansa sinoa, Visco amin’ny fitrandrahana vy any Soalala ka nahazoany 100 tapitrisa dolara. Araka ny fantatra koa dia hazo sarobidy, andramena hatrany amin’ny 450 no tadiavina havoaka ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Miantso ny vahoaka ao Toamasina àry ny solombavambahoaka Mektoub Camille ny amin’ny tokony hanakanana ireo harem-pirenena ireo tsy hivoaka ny Nosy. Any Hong Kong, Chine moa no hiondrana ny ankamaroan’ireo hazo sarobidy avy eto Madagasikara. Ankoatra izay, dia ny talata lasa teo no fe-potoana farany tokony ho namalian’ireo ankolafy 4 ny taratasy nalefan’ny GIC. Samy namaly izany ireo firehana 4, araka ny vaovao, ka izany no mety ho antony tsy nahatanteraka ny fihaonambem-pirenena tokony ho natomboka omaly. Hatreto aloha, tsy mbola fantatra ny fotoana mety hanatanterahana fihaonana. Ho an’ny dokotera Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy moa dia nazava ny resaka. Nampieritreritra ireo mpikambana eo anivon’ny FAT ny tenany amin’ny resaka fisamborana etsy sy eroa. Tetsy an-danin’izany dia notsiahivin’i Mektoub Camille fa telo no tanjona amin’izao tolom-bahoaka izao dia ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ary ny firosoana amin’ny Repoblika faha-4. Vokany, raha tsy tafapetraka ireo, dia tsy hifarana ny fihaonana eny an-kianja. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT