Politique

Me Willy Razafinjatovo “Tsy ny tolona no tsy nampandroso”


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Anisan’ireo mpitolona tamin’ny 13 mey 1972 ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala.

Tamin’ny 9 ora maraina ny tenany dia efa tonga nanati-boninkazo teny anoloan’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely ny sabotsy teo. Tsy nisy nidiran’ny resaka politika, raha ny fanazavany, ny 1972. Fanovana ny fomba fampianarana nisy tamin’ny fotoan’androny no tena tanjona ary nisy ilay antsoina hoe KIM na ny komity iombonan’ny mpianatra tamin’izany. “Aiza ho aiza ny fitiavan-tanindrazan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ?”, hoy izy, raha naneho ny heviny momba ny fahitany ireo mpitandro ny filaminana marobe teny Analakely. Tsy ny tolona no tsy nampandroso fa ny mpitondra satria ny mpitondra no nanodinkodina ny lalàna sy ny zava-misy ary ny fananam-pirenena, hoy izy.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT