Fodian’ireo sesitany politika, raharaham-pitsarana, aministia, fifidianana. Manana ny heviny ny mpisolovava Razafinjatovo Willy na Olala raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana(TT): Ahoana ny fahitanao ny fihetsiky ny ambasadaoro frantsay vaovao izay mitsabaka amin’ny raharaha tokatranon’ny Malagasy ?
Razafinjatovo Willy (Olala): Raha ny hevitro dia efa tokony hilamindamina ny raharaha amin’izao satria efa tafapetraka ilay “ni…ni”. Raha samy madio am-po ny rehetra dia raikitra tsy misy raorao ny fifidianana. Mitodika amin’ny mpitondra aho eto izany mba hanatanteraka amin’izay ny andininy rehetra ao amin’ny tondrozotra. Manahy aho fa hiitatra indray ny tetezamita amin’io tsy famelana mody indray ny filoha Marc Ravalomanana. Manamafy rahateo ny tondrozotra fa tsy maintsy milamina ny zava-drehetra vao atao ny fifidianana. Tsy mpisolovavan-dRavalomanana aho ary matetika aza izahay nifandona mihitsy noho ny tsy fitovian-kevitra nefa amin’ny maha olombelona sy maha Malagasy ahy dia tsy ekeko raha misy olona mihevi-tena fa manana fahefana hanakana Malagasy tsy hody an-tanindrazana. Ampifandraisiko amin’ny raharaha Pierrot Rajaonarivelo izy ity. Praiminisitra lefitra izy nefa notsaraina tamin’ny rafi-pitsarana tsy mahefa akory dia ny “Cour criminelle ordinaire”. Tahaka izany koa no atao amin’i Marc Ravalomanana izao izay filoham-pirenena teo aloha. Tsy izy koa io fitsarana azy io amiko satria sady tsy rariny no tsy ara-dalàna tahaka ny natao tamin’i Pierrot Rajaonarivelo ihany. Midika izany fa ny didim-pitsarana rehetra mahakasika an-dRavalomanana dia tsy ara-dalàna avokoa. Dia io didim-pitsarana io ve no hanakanana azy tsy hody an-tanindrazana, nefa tokony hamerina ny fandriampahalemana eto amintsika ilay fodiany ? Iza ary no afaka hanome toky fa ny fanakanana azy dia tsy hanakorontan-javatra indrindra fa tokony hanolotra olona ho kandida misolotena ny ankolafiny amin’ny fifidianana izy. Izay mihitsy no mahagaga ahy amin’ny fihetsik’ilay masoivoho frantsay. Soa ihany fa omaly dia efa nahitsin’ny solotenan’ny SADC izy ka nilazany fa tsy anjaran’ny masoivoho no milaza izany fa andraikitry ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Aza mijery an’iny ianareo, hoy izy fa izay avoakanay ihany.
TT: Ny hevitr’ilay masoivoho ve tsy hevitry ny fanjakana frantsay ihany?
Olala : Marina tokoa fa hevitr’ilay firenena no ambaran’ny masoivoho fa izao : tsy i Frantsa akory no SADC na ONU ! Heviny izay nefa aza hadinoina fa vao tapa-bolana anie io masoivoho io no tonga teto e. Mety manana mpitsikilo zareo Frantsay manome hevitra azy fa ilay toerany mihitsy no tsy mety satria tsy mbola mahafantatra izay zava-misy eto izy. Tsy mino mihitsy aho fa io fanakantsakanana io no hampilamina fa ny fandrosoana amin’ny famelan-keloka sy fampihavanana
TT: Fitsarana tsy mahefa hoy ianao teo no nitsaraina an’i Pierrot Rajaonarivelo izay olona arovanao. Tsy mila amnistia ve izany izy satria tsy ara-dalàna koa ny didy manasazy azy?
Olala: Manamafy foana ny fiarovako azy hatramin’izay aho hoe : tsy manan-kery ilay didim-pitsarana. Lasa didy raikitra anefa ilay izy ankehitriny rehefa niverina in-droa teny amin’ny “Cour suprême”. Eo amin’ny lafin’ny lalàna izany dia misy fomba roa ijerena an’io fanenjehana azy io. Voalohany dia tokony ho foana ilay didim-pitsarana satria tsy ara-dalàna ilay fitsarana. Raha raisina indray fa misy ilay didim-pitsarana dia tokony hahazo ny “aministie de plein de droit” izy satria firaisana tsikombakomba amin’ny fisandohan’andraikitra (complicité d’usurpation de fonction) no anenjehena azy izay tsy misy resaka famonoana olona na fanodinkodinam-bolam-panjakana. Tsy manana ahiahy mihitsy izany ny tenako raha ny momba azy.
TT: Ny ESCOPOL izao mandroso sosokevitra fa tokony tsy mahazo milatsaka avy hatrany izay nahazo famotsoran-keloka?
Olala: Ny dikan’ny “amnistia” dia fafana madio ilay olona ka tsy misy zavatra manakantsakana azy. Fomban’olona kely saina sy ratsy fanahy ireny amiko mba hanilihana mpifaninana satria misy amin’ireo nanao iny fanambarana iny no hilatsaka na manana kandida tohanana.
TT: Momba ny amnistia izay hatrany dia inona ny hevitrao momba ilay fanomezana amnitsia an-dRajoelina nambaran’ny SADC?
Olala:Gaga ihany koa aho amin’iny satria hamafana sazy na hiarovana olona voahenjika na dia tsy mbola nivoaka aza ny didim-pitsarana ny amnistia. Mitovy hevitra amin’ireo mpomba azy hoe tsy mila izany izy satria tsy manana dosie ny tenany ary tsy mbola voasazy. Ohatra ny faniratsirana azy izany amiko.
TT: Tsy mbola misy tokoa didim-pitsarana mahakasika azy nefa anie ka fitoriana telo no manenjika azy araka ny nambaran’ny mpisolovavan’ny filoha Ravalomanana?
Olala: Ilay fitoriana natao teto dia efa “non lieu” izay midika hoe tsy misy fanenjeheana ataony aminy satria tsy misy tokony hanenjehana azy. Ny dosie anenjehena azy any ivelany indray dia raisina tahaka ny tsy misy satria tsy mbola ofisialy. Tsy mbola niresaka izany fitoriana izany ny “Cour pénale internationale”.
TT: Aiza ho aiza indray ny raharaha Zakariasy?
Olala: Rehefa nivoaka ny fonja izy tamin’ny 03 janoary 2013 dia namonjy ny fianakaviany any Brickaville. Nanao ny fandiovana araka ny fomban-drazana izy. Manohy ny asany ara-dalàna izy izao ary mbola olona afaka (libre) tahaka ny olon-drehetra fa ny dosie mahakasika azy mipetraka ihany. Raha mbola misy tohiny ilay dosie dia mitohy ny “instruction”, raha tsy misy tohiny intsony indray dia misy ny “non lieu”. Ny tranga fahatelo dia ny fitsarana azy izay tena safidinay. Aleo mihitsy handeha ao amin’ny fitsarana ny raharaha dia ho hitan’ny besinimaro eo ny fahamarinana na tsia ny fitoriana azy. Izahay hatramin’izao dia mbola milaza fa marina avokoa ny zavatra nolazainy. Tsy hamelanay amin’izay fotoana izay raha tsy miatrika ny fitsarana i Mamy Ravatomanga izay mpitory azy. Ho fantatra amin’izay hoe inona no tiany hahatongavana ary aiza koa ny porofo ampelatanany.
TT: Nanao ampamoaka momba an-dRavatomanga i Zakariasy dia notoriany. Inona no antony tsy hitorianareo azy ihany koa ?
Olala: Efa nitory an-dRavatomanga tany amin’ny Bianco sy ny fampanaoavana i Zakariasy Patrick tahaka ny nataon’ny profesora Zafy Albert fa tsy nisy tohiny avokoa ireo rehetra ireo. Farafaharatsiny mba nasiana tohiny ny fitorian’ireo olona ireo hahitana hoe marina sa tsy marina ilay izy. Raha najanona fotsiny ilay fitoriana ka ireo porofo nentiny indray no avadika hanenjehana azy dia tsy rariny izany.
TT:Manao mizana tsindrin’ila izany ny fitsarana ?
Olala: Misy tsindry bokotra tao raha ny marina dia izay no niafarany.
TT: Ny fahitanao ilay hamaroan’ny kandida filoham-pirenena?
Olala: Afaka milatsaka avokoa ny olom-pirenena fa manana ilay 50 tapitrisa Ariary “caution” ve? Misy mangataka ihany koa ny firotsahako nefa noho ny etika dia manaja ny namana izay kandida aho. Mila mandinika tsara koa ireo olona mihevitra ny hirotsaka ireo raha manam-bola hiatrehana izany satria manerana ny Nosy no atao ny fampielezan-kevitra fa tsy eo an-davarangana akory. Sa misy manana tetika hafa angaha? Mananatra ihany aho hoe aza midikiditra amin’io raha tsy manana ny ampy ilaina amin’izany ! Mijanona dieny izao fa sao ho menatr’olona.
TT: Ahoana ny fomba fampiasana ny bileta tokana satria ho lavabe koa ny lisitra raha mandray anjara avokoa ireo. Tsy mbola misy rahateo koa ny fampianarana ny mpifidy momba izany?
Olala: Ny fampianarana vahoaka momba ny fampiasana ny bileta tokana dia mety ho vita ao anatin’ny iray volana na iray volana sy tapany. Resa-bola io amiko satria rehefa tonga ny vola dia afaka miparitaka ireo ratsamangaikan’ny CENI-T rehetra. Vao nilaza ny tsy firotsahany anie i Andry Rajoelina dia nanome 12 tapitrisa euros ny Vondrona Eoropeana e. Raha mbola misy foana anefa ilay fanakorontanana madinidinika dia hanahirana ny fifidianana.
TT: Ny teninao farany ary?
Olala: Misy tokoa ny mpanao politika izay sokajiana ho olom-banona. Eto indray aho dia mitodika amin’ireo mpanao politika Malagasy ataoko hoe “MB” izany hoe : Maimbo Be satria tsy misy fitiavan-tanindrazana mihitsy mba miaro ny harem-pirenena sy ny vahoaka fa tsy hitsetsitra azy ireo. Ireto mpanao politika MB ireto no tsy mampandroso antsika ka miantso azy ireo aho mba hanajanona izany toetra ratsiny izany fa hitodika amin’izay amin’ny vahoaka. Ataovy mipaka ao anaty ao hoe: “ny zavatra ataoko sy ny fiainako iray manontolo dia ho an’ny vady amanjanako sy ny taranako”. Raha tsara ny nataonao dia ho tsarovan’ny olona izany fa raha ratsy kosa dia mety hivaly any amin’ny taranakao mihitsy izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.