“Mety aminay iny toromarika navoakan’ny SADC iny. Tsy misy mantsy fahafaham-po azo 100% izany amin’ny fiaraha-midinika, fa raha henoina sy raisina ny hevitra aroso, dia efa zava-dehibe izany”. Izay no nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, sy mpikambana ihany koa eo anivon’ny ankolafy Madagasikara any an-toerana. Nambarany hatrany fa “raha dinihina ireo andininy miisa 14 mahakasika an’i Madagasikara sy ny krizy, dia midika avy hatrany fa mbola manamafy ny fisian’ny fanonganam-panjakana teto ny SADC matoa mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna izy ireo, ary matoa mangataka na manery na miangavy ny famerenana ireo sesitany politika, indrindra fa ny filoha Ravalomanana ny SADC, dia milaza mazava izany fa mbola izy no ara-dalàna ka tsy rariny ny zava-nanjo azy ary antoky ny filaminana ny fiverenany”.
Nanamafy koa anefa ny Me Rasamimaka Mahefalahy fa “tsy maintsy hisy hanohitra ity hevitra navoakan’ny Sadc ity, satria politikan’ny valifaty sy fankahalana no misy eto, ka ilay fiverenan’ny filoha Ravalomanana no fomba entina amin’izany”. Ankoatra izay, dia tsy nisalasala ny Me Rasamimaka nilaza fa “ilaina amin’ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy eto ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, ny fiverenan’ny fahalalahana izay nomen’ny lalàna ny olom-pirenena, ny fodian’ireo nitsoaka an’i Madagasikara noho ny antony politika ary ny fandraisan’ny ankolafy samy hafa anjara ao anatin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, hisian’ny fanomanana fifidianana madio sy andraisan’ny rehetra anjara hahafahan’ny Malagasy mifidy marina izay tiany”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.