Tsy maintsy haverina eto amintsika ny ara-dalŕna, hoy ny solombavambahoaka Zafilahy Stanilas raha nandray fitenenana tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka izy omaly. Nilaina ny krizy iainana ankehitriny, hoy izy, hamantarana ny 50 taona lasa.
Ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanazavana, dia voizina amin’ireo haino aman-jery fa niantso ny hery rehetra i Andry Rajoelina kanefa dia manome lamosina azy ny Ankolafy 3. Raha ny efa nekeny sy nosoniaviny tany ivelany anefa dia iarahana avokoa ny zavatra rehetra. Manoloana izany indrindra, na inona na inona ho fehin-kevitra eny amin’ny Centre de Conférence International dia mbola hevitr’olo-tokana ihany. Nilaza i Andry Rajoelina, hoy i Zafilahy Stanilas fa tsy ilaina ny Maputo sy ny Addis Abeba ary ny Pretoria kanefa ny foto-pisainan’i Maputo no ampiasainy. Hafatra moa no napetrak’ity olom-boafidy Tiako I Madagasikara ity fa matoa tsy niteny ingahy Ravalomanana hoe ajanona dia tohizana hatrany ny tolona, koa “minoa fotsiny ihany”, hoy izy. Ankoatra izay, dia nanao tatitra momba ny dinika niarahan’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena na ny CNOSC ny solontenan’ny Alliance demokratika. Tamin’izany no nanazavan’ny CNOSC, araka ny tatitra nataon’i Johnson, fa tsy handray vola avy amin’ny FAT ny CNOSC hiarovany ny maha mahaleotena azy.
Napetraky ny ankolafy Ravalomanana tamin’ity vondron’ny fiarahamonim-pirenena ity ihany koa ny fepetra takian’izy ireo hirosoana amin’ny dinika rehetra dia eo ny famoahana ny gadra, ny fiverenan’ireo sesitany rehetra. Fa any amin’ny faritra kosa, dia nambaran’ny Maître Rasamimaka Mahefalahy, izay mpandrindra ny Ankolafy 3 any amin’ny faritra Atsinanana, fa mitaky ny fiverenan-dRavalomanana ny vahoaka. Isan’andro, araka ny nambarany ihany dia misy hatrany izany fihaonan’ny Ankolafy 3 izany. Ho an’ny faritra Vakinankaratra kosa dia nambaran’ny depioten’i Faratsiho, Randrianjatovo Henri fa tokam-po i Vakinankaratra izay ahitana depiote 7 sy loholona iray. Raha tsy nisy ny satan’i Maputo, hoy izy dia tokony ho fifanarahan’i Cotonou no nampiharina. Isika Malagasy anefa mila firaisankina foana ka “izay te handohalika amin’olon-tokana dia mandehana any”, hoy izy nahitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.