Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Aleo ho avy i Dada…hita eo ny tohiny”


  • Alarobia 19 Desambra 2012

Miteraka adihevitra eo amin’ny mpanao politika sy ny mpanara-baovao politika ao Toamasina ny filazana ampahibemaso nataon’Atoa Marc Ravalomanana ny tsy filatsahany ho fidiana iny. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny heviny ny tsirairay, toraka izany koa ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Nisy ny resaka nifanaovana taminy…

 Tia Tanindrazana (TT): Nilaza ampahibemaso Atoa Ravalomanana fa tsy hirotsaka ho fidiana, Atoa Rajoelina anefa miandry faran’ny volana vao hilaza ny tena heviny, ahoana ny fahitanao ny mety ho tohin’ny raharaha politika eto amintsika amin’izao ankatoky ny fety samy hafa izao?

Me Rasamimaka Mahefalahy (Me Mahefa): Fanapahan-kevitr’olon-kendry sy fitsinjovana ny Malagasy efa sempotry ny fahantrana ao anatin’ny krizy lavareny, iny noraisin’ny filoha Marc Ravalomanana iny na mafy taminy aza satria olona naongana teo amin’ny fitondrana izy. Ny SADC ihany koa nilaza fa handresy lahatra azy mirahalahy tsy hirotsaka mba hamahana haingana ny krizy efa handray efa-taona izao. Raha i Andry Rajoelina sy ny ekipan’Ambohitsirohotra ary ny andian-tafika manohana azy aloha, dia tsy mihevitra ny hiditra amin’izany mihintsy. Iaraha-mahita ihany ireo fihetsiny tato ho ato amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana fa miandrandra mafy ny hirotsaka. Koa aleo ho tonga eo an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana dia ho hita eo ny tohiny, satria ny tanjonay mpanohana azy sy ny nitolomanay tao anatin’izay telo taona tsy nahalalanay orana sy hafanana ary ny baomba mandatsa-dranomaso nafafy taminay izay, dia ny fiverenany eto Madagasikara.

TT : Raha mandray fanapahan-kevitra ny hirotsaka na tsia Atoa Rajoelina, inona no ataonareo?
Me Mahefa
: Tsy olana ho anay ny firotsahany na tsia, fa ny anay dia mila tonga eto aloha Atoa Marc Ravalomanana. Raha ho kandida i Andry Rajoelina ka tsy mandray fanapahan-kevitra ny SADC sy ny firaisam-be iraisam-pirenena dia mankatoa ny fanonganam-panjakana izany izy ireo, ary ho lasa maodely ratsy ho an’izao tontolo izao ny zava-nisy eto amintsika, i Madagasikara koa amin’izay lasa tompondaka amin’ny tsy fanarahana ny lalàna iraisam-pirenena.

TT: Hisy diaben’ny firaisankina hatao ny sabotsy izao, diabe hitety Fokontany sy arabe maro ao Toamasina. Handray anjara amin’izany ve ianareo ankolafy Ravalomanana ?
Me Mahefa
: Tonga teto amiko ireo olona isany mpikarakaraka ity diabe hatao amin’ny sabotsy ity. Raha ny zavatra nolazain’izy ireo tamiko dia manana fanahiana ihany aho, satria nasaina nanao fanamina hahafantarana azy avokoa reo antoko sy fikambanana politika nasaina handray anjara. Hiavaka eo sahady ny tsy fisian’ny firaisankina ary hampisy lonilony izany. Raha tena diaben’ny firaisankina ity hatao ity dia tokony alana mihintsy ny loko politika sy ny fiaviana politika ary ny fanamina politika fa olon-tsotra samy teratany Malagasy no milahatra ary mampiseho ilay firaisankina marina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT