Politique

Me Rakotomanana Heriniana Tsy maintsy mifarana alohan’ny 31 desambra ny tetezamita


  • Zoma 16 Aprily 2010

Mandray an-tanana tsikelikely ny fitantanana ny fifidianana ny komity mahaleotena miadidy ny fifidianana (CENI). Tontosa omaly mantsy ny famindrana ny fahaiza-manao teo amin’ny fiadidiana ny primatiora lefitra misahana ny atitany sy ity komity ity.

Dingana voalohany amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana io vita io raha ny nambaran’ny filohan’ny CENI, Rakotomanana Heriniana satria ahafahana manomboka ny asa toy ny fandinihana ny daty hanatontosana ny fifidianana. Tsy maintsy mifarana mialoha ny 31 desambra 2010 rahateo ny fitondrana tetezamita raha ny fanazavany ihany. Amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voafaritra  kosa no hotanterahana ny famindrana ny lafiny fitantanan-draharaha sy teknika izay halefa tsikelikely. Dingana manaraka hiompanana  ny fametrahana ireo rafitry ny CENI eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana miatomboka amin’ny faritra ka hatreny amin’ny fokontany. Nanome toky  kosa i Manorohanta Cecile, praiminisitra lefitra misahana ny atitany, fa vonona hatrany ny departemanta tantaniny hanome tanana sy hiara-hiasa amin’ny CENI momba ny fijerena ny olana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny tanjona, hoy izy dia ny hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara, demokratika ary eken’ny rehetra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT