Politique

Me Olala Tsy mitombina ny sonia ho an’ny tondrozotra


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

Tsy mitombina ny filazana fa hosoniavina ato ho ato ny tondrozotra, hoy ny Me Willy Razafinjatovo fantatry ny rehetra amin’ny hoe Me Olala.

 Fanontaniana napetrany ny momba izay antontan-kevitra hosoniavina satria raha ny fanazavany dia tsy ankatoavin’ny maro na ny eto an-toerana na ny any ivelany ilay tondrozotra natolotry ny Dr Leonardo Simao sy Tomaz Salomao. Raha ilay hoe tondrozotra asiam-panitsiana nivoaka tamin’ny fihaonan’ireo mpitondra fanjakana eo anivon’ny SADC tany Sandton indray, raha ny fanazavan’ny Me Olala ihany dia tsy mbola hita hatreto hoe aiza io antotan-taratasy io. Araka izany dia velon’ahiahy ity mpahay lalàna ny amin’izay antontan-taratasy tadiavin’ny FAT hampanasoniavina ireo mpanao politika. Nanitrikitrika ny tenany fa tsy misy afa tsy ny miandry izay toromarika avy amin’ny iraisam-pirenena mialoha ny hanaovan-javatra hafa hisorohana olana vaovao. Miantso ny FAT koa ny tenany mba tsy hanakorontana na handrebireby ny saim-bahoaka !

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT