Politique

Me Olala “Tsy misy ilŕna azy ny mpitondra eto”


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Vavolombelon’ny tolon’ny 13 mey 1972, izay feno 45 taona katroka anio ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na “Olala”.

 Politikan’ny fampianarana no nahatonga azy iny satria fotoana fohy talohan’izay no nisian’ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra tao Befelatanana nisy ny “Ecole de medicine”, ary teny Ankatso kosa no nisy ny “Faculté de medicine”. Tamin’ny rafi-pitondrana sy fampianarana tamin’izay fotoana izay, ny mpianatra mivoaka avy eny amin’ny Fakiolite dia natao ho dokotera ety ambonivohitra fa ny teny Befelatanana kosa natao ho any ambanivohitra. Io fanavakavahana io no tsy tantin’ny mpianatra ka nahatonga ny teny Befelatanana nitroatra sy nitokona. Nisy nidirany tamin’ny faripiainany ratsy dia ratsy tamin’izany fotoana raha noharina tamin’ny teny Ankatso. Nifanampy taminy tamin’ny tolona ho an’ny fanatsarana ny fampianarana ka nanaiky ny fakiolite rehetra teny Ankatso tsy nisy fanavakavahana. Nanaraka ny mpianatra ivelan’ny oniversite ka niha natanjaka ny tolona ary izay no nampahery azy. Efa niverina avy nogadraina avy tany Nosilava kosa ireo ireo nitarika ny tolona. Nilaza ny filoha Philbert Tsiranana fa manao politika ny mpianatra. Io no nahatonga ny raharaha niafara tamin’ny fionganany satria narahin’ny mpianatra tamin’ny teniny amin’ny fampidirana politika. Afaka mirehareha aho fa fo madio no nenti-nitolona fa tsy nisy ny resaka famonoan’afo sy ny vola ary ny resaka fiaviana na politika. Ny resaka fampianarana antonony sy tsara ho an’ny rehetra ny tolona fa tsy toy ny misy ankehitriny, hoy ny Maitre Olala. Izay no antony hampitana amin’ny tanora ny faneva. Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny dia tsy maty hafoy sy tsy velon-kantenaina ny mpitondra ankehitriny, ka mila olona hanova ny fitondrana sy ny fiainam-bahoaka eto, hoy i Maitre Olala. Tsy nisalasala izy nilaza fa misy mpitondra eto saingy tsy amin’ny ilana azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT