Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa Tsy nandŕ ny mety haha-kandidŕ azy ary mitsipaka ny zom-pirenena roa


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Tsy mbola misy resaka kandidŕ hisolo ny filoha Marc Ravalomanana izay efa nanambara ofisialy ny tsy hirotsahany ny ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 Raha tsy tafaverina eto Madagasikara mihitsy izy ka ho tanterahina ny kongresin’ny Tiako i Madagasikara tarihany dia tsy ho fantatra izany. Nanambara kosa ity mpisolovava mpanao politika ity raha nanontaniana fa azo heverina daholo ny tombatombana rehetra ary tsy nandà ny mety haha-kandidà azy izy raha… Raha ny resaka tsy tokony hirotsahan’ireo olona mizaka zom-pirenena roa ho kandidà filoham-pirenena, dia nilaza ny CST Razafimanantsoa Hanitra fa manohana izany antsakany sy andavany izy satria tsy maintsy misy ambadika foana ny resaka raha vao ireny olona misabakabaka ireny no mitantana ity firenena ity. Mikasika ny fahataterahan’ny «Ni… Ni» dia nolazain’i Me Hanitra fa mandiso ny fitsipi-dalao ity resaka ity satria tsy afaka maneho ny heviny ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay misy dia misy avy tokoa. Ny fanerena an-kolafa azy mianaka ireo, hoy izy, dia tsy midika fa tsy manana ny fiandrinany tanteraka ny Malagasy fa teren’ny olon-kafa tsotra izao.

Fa izay tena nitondran’i Me Hanitra fanazavana misimisy kokoa, dia ny mikasika ilay resaka amnistia ambaran’ny SADC. Tsy tongatonga ho azy, hoy izy, iny fanomezana amnistia iny fa matoa mila an’iny Ravalomanana sy Rajoelina dia samy tompon’andraikitra izany izy roa ireo. Nisy foana fangatahana azy io hatrany Maputo nisian’ireny fifanarahana 1 sy faha-2 ary faha-3 ireny izay ho antoka tsy hifanenjikenjehan’ny mpanao politika intsony eto amin’ity firenena ity aoriana. Ka tsy mety ny fiheveran-tena ho tsy diso na fiheveran-tena ho anjely ataon’ny sasany fa heloka avokoa ireny fanonganam-panjakana na fakana fitondrana niaraka tamin’ny tafika ireny.

Heloka koa ny fandoroana fananan’olona sy fandoroana olona velona niseho tamin’ny 26 janoary 2009. Manampy trotraka izany ny fitarihana olona hiaka-dapa tamin’ny 7 febroary 2009, ny fitifirana olona teny Ambohijatovo ireny, manginy fotsiny ny famonoan’olona tany Atsimo tsy nisy fitsarana ireny. Tsy madio tanana i Andry Rajoelina, araka izany, ka tena mila aministia, hoy i Me Hanitra. Teo koa ny fitoriana nataon’i Marc Ravalomanana azy noho ny fanonganam-panjakana nataony sy ny resaka 17 martsa 2009, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny kolonely Charles. Ary tsy i Andry Rajoelina irery fa eo koa ireo olona miisa 119 voasazin’ny iraisam-pirenena izay mbola mitoetra tokoa ary mila aministia avokoa. Tsy aorian’ny tetezamita no ilàn’ny SADC hanomezana amnistia fa amin’izao fotoana izao mihitsy mba hisian’ny fitoniana eto Madagasikara.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT