«Ampiharo ny andininy faha-20 amin’ny sori-dalana», hoy i Leriva Manahira tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo raha nanao antso avo amin’ny SADC ary dia nitsangana avokoa ireo mpitolona tao an-kianja nanoloana izany, ho mariky ny fanohanana.
Raha tiana handeha ny sori-dalana dia io no maika indrindra, hoy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ity. Tetsy andanin’izay kosa, araka ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas dia nandefa hafatra ny filoha fa tsy ho ela ny fihaonany amin’ny vahoaka Malagasy. Fiarovana ny safidy no nitolomana, hoy izy. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas fa hatramin’ny farany ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana, ka ao anatin’izany ny fitakiana ny fodiany tsy misy fepetra, ny famoahana ireo gadra politika izay mbola maro no any am-ponja, ny famahana ireo haino aman-jery nakatona. Tetsy ankilany, nanambara ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa tsy tokony ho kivy ny mpandala ny ara-dalàna.
Fitsinjovana ny fireneny no nahatonga ny filoha Marc Ravalomanana haka iny fanapahan-kevitra, tsy hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena iny. Toy ny fivorian’ny SADC rehetra dia nampanantsoina i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ity farany moa tsy mahalala fomba, hoy izy na dia fandinihana ny raharaha Madagasikara aza no natao. Araka ny fanazavan’ity mpisolovava ity ihany dia betsaka ny tsiambaratelo tao ambadiky ny fihaonana natao tany Tanzania. Nambarany fa tsy afaka miala amin’ny firaisambe iraisam-pirenena toy ny SADC na ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara satria ireo no manampy ny firenena. Ny FAT no nampidi-kizo ny firenena ary dia vahoaka no mizaka ny tsy eran’ny aina ary ny takaitran’izao dia tsy mbola fantatra na ho firy taona na ho firy vao hisinda.
Izany indrindra no tsy ialan’ny mpandala ny ara-dalàna amin’i Marc Ravalomanana fa anohanana azy mandrakariva, efa napetraka eo am-pelatanan’Andriamanitra rahateo ny tolona ka izay mahasoa no ataony, Izy rahateo no mpanolotsaina voalohany. Hatreto, dia tsy mbola niteny i Marc Ravalomanana ny amin’izay olona ho kandida. Manoloana izany dia nampitandrina ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny amin’izay mikasa handatsa-tena. Mbola eo amin’ilay mody tsy misy fepetra aloha isika izao. Tsy vitan’ny hoe tsy hilatsaka fotsiny io satria efa-taona no nitakiana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka dia vao mainka hihamafy ny tolona. Amin’izao fety izao dia takiana ny hamoahana ireo gadra politika satria ampy izay tsy niarahany tamin’ny vady aman-janany izay, eo koa ny fahalalahana miteny, ny haino aman-jery nakatona izay vao tokony hirosoana ny fifidianana, hoy izy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.