Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa Aleo ny vahoaka no hisafidy izay tiany


  • Talata 28 Febroary 2017

Fifidiananana “Inclusives, democratiques, libres et transparentes” no ilaina eo amintsika amin’ny taona 2018, hoy i Me Hanitra Razafimanatsoa filoha lefitry ny Antenimierampirenena Malagasy.

 

 Ireo olona milaza mialoha fa tsy mahazo milatsaka ny Prezidàn’ny  Ravalomanana ny Filohany tetezamita Andry Rajoelina ka misolo tena sahady ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana izay any tokana afaka mankatoa na tsia ny filatsahan-kofidian’ny olona iray, hoy izy, dia raisina ho tompon’andraikitra tanteraka amin’ny mety ho vokatr’izany. Efa manambara mialoha ireny fa hatao tsinontsinona sy hobaikoina fotsiny ny HCC. Ny erireritra hanilika an’i Marc Ravalomanana satria hoe nisy didim-pitsarana nivoaka momba azy dia tsy hitondra vaha olana ary tsy hahasoa ny Malagasy izay miandrandra fifidianana malalaka sy demokratika ary mangarahara. Fitsarana politika sy fitsarana tsy mahefa sy tsy nanaja ny fepetra naha Filoha am-perinasa azy tamin’izany no natao. Hatramin’zao dia tsy mbola nampahalalana ny Filoha Ravalomanana izany didy izany. Raha sanatria nisy izany “notification” na “signification” izany dia sandoka na olona tsy mananjo handray izany no nandray izany. Ny tsy azo lavina, ny fanaovana Ni.... Ni…, dia tsy hitondra fitoniana sy filaminana ary azo hitarina hatrany amin’ny Filoha am-perinasa satria izy koa dia voakasik’ilay Fifanarahan’I Cotounou izay tsy mamela ny mpanongam-panjakana hilatsaka ho fidiana satria anisan’ireo tafididtra ao anatin’ny listr’ireo olona 109 voasazy izy. Ny tsara no aoka hifanodiavana fa tsy hamerina ny tsy nety te aloha. Aoka ny vahoaka no hisafidy ny olona tiany hitondra azy . Aoka izay ny fanaovana tsinontsinona ny mpifidy Malagasy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT