Politique

Mazava ny resaka Tsabahan’ny Frantsay ny raharaham-pirenena


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Nanamafy ny mety hisian’ny fihaonana mivantana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina ity farany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety voafantina tao amin’ny haino amanjerim-panjakana omaly. Amin’ny 24 aprily no hanaovana azy io raha ny filazany ihany. Tompomarika amin’ity fampihaonana ity ny Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo, araka ny filazany. Teraka koa izany taorian’ny fandalovan’ny iraka frantsay teto talohan’ny Paska, tarihin’i Alain Joyandet, sekreteram-panjakana frantsay, izay nandroso soridalana hivoahana amin’ny krizy miainga amin’ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena ary nankatoavin’i Andry Rajoelina, araka ny filazany ka nandefasany taratasy nankany amin’i Sarkozy naniraka iretsy iraka frantsay. Mazava ny resaka ankehitriny fa dia ny Frantsay izany no mifehy tanteraka ny raharaha eto Madagasikara ary dia saribakolin’ny Frantsay ny mpitondra eto. Nilaza i Andry Rajoelina fa ny filoha Afrikanina Tatsimo no tompom-panasana amin’ity fihaonana izay hatao alohan’ny faran’ny volana ity, raha raikitra. Efa-bolana lasa izay, nanasa ny filohan’ny ankolafy efatra ny filoha Mozambikanina, ka anisan’izany i Andry Rajoelina, fa ity farany dia nanda tsy handeha fa ireo filoha lanim-bahoaka telo ihany no tonga tany, izay nampangain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ho mpamadika tanindrazana, ary namoahana naoty mihitsy tsy hahazo hiverina an-tanindrazana ny 11 desambra 2009. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT