Politique

May volon-tratra ny Frantsay Ho avy eto indray an’i Alain Joyandet


  • Alarobia 31 Martsa 2010

Mety tsy ho raikitra indray, ny fifidianana solombavambahoaka kasain’ny HAT hokarakaraina ny tapaky ny volana mey ho avy izao.

Mahita mantsy ny Frantsay, araka ny tsiliantsofina re, fa diso lalana i Andry Rajoelina ary tsy mety raha mbola mikiribiby amin’ny fitantanana samirery ny tetezamita satria vao mainka manamafy ny krizy izany. Ho avy eto i Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, sy ny mpanolotsain’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy ho an’ny faritra Afrika, André Parant, raha tsy misy ny fiovana, handresy lahatra an’i Andry Rajoelina mba hiverin-dalana ary hanaiky ny hiara-mitantana ny tetezamita amin’ireo ankolafy telo. Efa manana karazana drafitra, tsy mifanalavitra amin’ny nifanarahan’ireo ankolafy efatra, ivoahana amin’ny krizy, ny Frantsay, araka ny resaka mandeha ihany, ka tahaka izao ny ambangovangon’izany : foanana ny fifidianana solombavambahoaka hananganana ny Antenimieram-panorenana, saika hatao amin’ny volana mey, tanterahana amin’ny volana jolay 2010 ny fitsapan-kevi-bahoaka ho fandaniana ny lalàmpanorenana, vita izay dia miroso amin’ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka miaraka ny volana novambra 2010, ary mifarana ny 31 desambra ny fitondrana tetezamita.

Mijanona ho filohan’ny HAT i Andry Rajoelina, ary ampidirina ao anatin’ny governemanta sy ireo rafitra hafa anatin’ny tetezamita ny ankolafy telo. Izay amin’ny ankapobeny ny hafatra mety hampitain’i Alain Joyandet amin’i Andry Rajoelina, ary handresena lahatra ity farany. Raha ny fandinihana ny tranga rehetra hatrizay, dia heverin’ny mpandinika fa hanaiky io soso-kevitra io ny filohan’ny HAT, izay miara-miasa akaiky amin’ny Frantsay ; saingy ny olana dia mety hitsipaka marindrano an’io, ireo mpanao politika miara-dia aminy ao amin’ny ankolafy Rajoelina amin’izao fotoana ka hampikorontan-tsaina ny olona indray. Karazana fiala-nenina mialoha ny mety hilatsahan’ny sazy avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ity drafitra avy amin’ny Frantsay ity, ary izay indrindra angamba no mampihazakazaka an’i Alain Joyandet sy i André Parant ho avy eto Madagasikara.

Raha ny fahitan’i Olivier Rakotovazaha, ity dia ity dia heveriny fa i ‘Frantsafrika’ ireo ho avy eto amintsika ireo. Mitady hampanjaka ny fomba natao tany Mauritanie izy ireo, hoy izy. Hanerena ny Malagasy hiditra amin’ny fifidianana saingy fifidianana feno hosoka no ho tanjon’ireo, hoy ihany ny sekretera jeneralin’ny MFM. Fifidianana madio, mangarahara anefa no tadiavintsika, hoy ihany Rakotovazaha Olivier kanefa raha ny hita hatramin’izao aloha dia sarotra ny hino fa hisy fahalalahana hiatrehana izay mety ho fifidianana eto, hoy ihany izy.
 
Nangonin’i Soa sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT