Any Toamasina nanomboka omaly alatsinainy antoandro ary hiverina ny alarobia 28 septambra ny mpitondra fanjakana rehetra eto Madagasikara ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka dia ny filoham-pirenena, ny praiminisitra ary ny mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta.
Fitokanana zava-bita, fanolorana mariboninahitra mpitsabo ary fiatrehana ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra mitety faritra no anton-dia. Fantatra koa anefa fa maro ireo manampahefana nombam-bady aman-janaka satria mba hanararaotra kely hiala sasatra ihany koa izy ireo. Araka ny angom-baovao natao omaly hariva dia maro amin’ireto manampahefana ireto no mipetraka amina hotely amina sarany 400 000 Ariary sy 600 000 Ariary isan’andro, tsy resahana intsony ny hanimpitoloha sy ny revirevy isan-tsokajiny. 32 ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Solonandrasana. Raha hanaovana kajy tsotsotra hoe samy miditra ao amin’ilay hotely mihofa 400 000 ariary isan’andro avy izy ireo dia 12 800 000 Ar isan’andro izany ny volam-panjakana mivoaka, izany hoe 38 400 000 ao anatin’ny 3 andro. Mbola misy vady aman-janaka sy mpiara-miasa mety ho maromaro anefa miaraka amin’ny minisitra tsirairay avy ka azo antoka fa hibontsina izany ny kajy. Tsy mbola resahana eto ny hofan’ny fiaramanidina sy ireo fiara 4x4 maro be lasa any Toamasina sy ny solika lanin’izy ireo izay samy volam-panjakana no handoavana azy.
Manan-jo hiala voly sy hiala sasatra mihitsy ny tsirairay saingy manahirana ihany ny mieritrerita fa natao maimaika ny fijerena ireo may trano sy namoy fianakaviana ary traboina 400 mahery teny Ankasina omaly maraina satria maika ho any Toamasina ny governemanta. Ny firenena miaina anaty krizy, ireto mpitondra anefa tsy mahafehy tena fa manao miara-mirona handany volam-bahoaka any Toamasina. Izany ve no hitan’ny mpitondra fa fanapariaham-pahefana ? Ireo mpitondra avy ao amin’ny fitondrana foibe indray no mitety an’i Madagasikara fa tsy mba ny tompon’andraikitra any an-toerana no omena fahefana sy tetibola hahafahany miasa sy mampandroso ny faritra misy azy. Na ireo firenena tandrefana tena manankarena aza tsy manao fomba fiasa tahaka izao. Hafa mihitsy ny eto amintsika e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.