Roa andro tsy hahatongavan’ny lanonana ofisialy hanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona hisian’ny Matso eny Mahamasina sy ny fisakafoanana lehibe eny Iavoloha, dia tsy fantatra mazava ny pitsopitsony.
Tsy fantatra ihany koa na nomena fanasana ireo filoham-panjakana teo aloha na tsia. Ny re dia miisa 1000 ireo nahazo fanasana amin’ny fisakafoanana eny Iavoloha. Mbola baraingo hatreto ny amin’ireo filoham-panjakana teo aloha ho hita eny Mahamasina. Ny resaka mandeha dia nosivanin’ny HVM ireo hery politika heverina ho mpanohitra. Ny efa azo antoka aloha dia ny tsy hahitana mihitsy ny salovan-tavan’i Andry Rajoelina amin’ny lanonana ofisialy karakarain’ny fanjakana Rajaonarimampianina noho ny lonilony politika lalina eo amin’ny amin’ny HVM sy ny MAPAR. Mbola baraingo kosa ny mikasika an’i Marc Ravalomanana satria tsy mbola nisy hatreto ny vaovao ofisialy manambara ny hanatrehany izany, ary tsy fantatra mazava na nomena fanasana izy na tsia. Tsy hay ihany koa na ho eto an-tanindrazana i Marc Ravalomanana mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena fa raha ny vaovao azo hatreto dia mety ny 30 jona vao hiverina an-tanindrazana noho ny diany any Canada. Tsy mbola fantatra ihany koa ny hanatrehan’ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy Zafy Albert ny lanonana. Samy tsy andrenesam-peo sy tsy dia maneho hevitra manoloana ny fanamarihana ny fetim-pirenena rahateo izy ireo.
Tofoka tanteraka ny vahoaka
Toa efa mahatsapa tena ny fitondrana ankehitriny fa tsy misy mpankasitraka sy tsy misy mpiraharaha, ka aleony misalobo-komana sy manao izay saim-patany, ka ny vaovao tokony ho fanta-bahoaka aza kobokobonina. Hatramin’ny nitondran’ny HVM rahateo no tsy namparisika intsony ny vahoaka hanatrika ny fety eny Mahamasina noho ny tsy fankasitrahana ny mpitondra tsotr’izao. Hatramin’ny nitondran’ny fanjakana Rajaonarimampianina no nisian’ny fanafarana olona hameno ny kianja, ary hatramin’ny nisian’io fanjakana io ihany koa no nisian’ny ra mandriaka sy faty olona rehefa misy fety, saingy tsy mipoitra mandrak’ankehitriny izay tena marina fa matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka ny olona. Tsy hay indray izay mety hitranga amin’ity indray mitoraka ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.