Politique

Matotra ara-politika


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Hafa kely ny fanamarihana ny tsingerintaona faha-63 nahaterahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ity indray mitoraka ity satria dia izy tompom-pety no nanome «surprise» fa tsy ny mpanara-dia azy.

 Raha ny tena marina dia maro tamin’ireo mpitolona tao amin’ny Magro no tsy nanam-po sy taitra mafy tamin’ny filazan’i Dada fa tsy ho kandida izy. Hatramin’izay mantsy dia hirahiran’ny mpitolona ny hoe : tsy maintsy mody i Dada, kandida ary “1er tour dia vita !”. Tsy maintsy misy ihany anefa ny zavatra tsy ampoizina mitranga amin’ny politika ary raha Atoa Marc Ravalomanana manokana dia efa namerimberina fa ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny ambony indrindra aminy. Dia notanterahany ny teniny izany izao. Azo sary an-tsaina ny fikoropahan’ny ankilany, mpifanandrina politika aminy, manoloana ity tranga ity, satria tena nihevitra ny sasantsasany ao ambonimbony ao fa hanao be mokon-doha ity filoha teo aloha ity ka tsy hanaiky hilefitra mihitsy.

Nampiseho indray mandeha indray anefa Atoa Marc Ravalomanana fa efa tena matotra amin’ny fanaovana politika izy fa tsy manao sain-jaza tahaka ny sasany, ka rehefa hita fa misy zavatra tsy maintsy handeferana fa tsy hoe : ny hevitro ihany no marina, ary tsy maintsy manaiky ny hevitro ny rehetra. Olon’ny fifampiresahana i Marc Ravalomanana, ary tsy mbola nanda fifampidinihana izany. Samy nantsoin’ny SADC ho any Tanzania izy sy i Andry Rajoelina, saingy iny efa niaraha-nahita iny moa ny fialan’andraikitr’ity farany.

Noresahan’ny filoha Kikwete Atoa Ravalomanana, ary dia resy lahatra fa fahendrena ny tsy hilatsahany hofidiana amin’ny 8 mey 2013. Afaka manitatra sy manisy sira izay te hanao izany, fa efa izay aloha ny zava-misy dia izay. Efa mba olon-dehibe kosa angamba izany 63 taona izany, 25 taona nitantanana ny orinasa goavana indrindra teto Madagasikara, 2 taona naha Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ary 7 taona filoham-pirenena. Koa heverina fa tsy izao mihitsy i Marc Ravalomanana vao hanondrana na hanao hadalana. Azony natao tsara mihitsy ny nanakarama mpikarama an’ady an-jatony ary niditra teto Madagasikara na nanaiky izany na tsia ny FAT, saingy tsy olon’ny fanakorontanana araka ny hanosoram-potaka azy i Marc Ravalomanana fa kosa olon’ny filaminana sy ny fifampiresahana. Ka raha ny tsy filatsahan-kofidiany no handamina ny krizy dia ataony izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT