12 andro lasa izay no nilazan’i Andry Rajoelina teny Ankorondrano nandritra ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny FIVMPAMA fa efa fantany ny fanapahan-keviny momba ny fifidianana filoham-pirenena, ka hambarany tsy ho ela amin’ny vahoaka malagasy. Naverimberiny foana taorian’io fa tsy misy afaka mibaiko azy izany, fa izay tiany atao ihany io. Miteny indray anefa izy nony avy eo hoe : tsy azo raisina maimaika izany fanapahan-kevitra izany fa mila dinihana lalina. Fa ahoana ihany e ? Izany ve tsy efa fanadalana saim-bahoaka manara-penitra mihitsy ? Ampy hitsarana ny tsy fahamatoran’i Andry Rajoelina izany. Raha tena sahy izy dia efa ela no nanambara fa ho kandida na tsia. Miseho tsy ho baikon’ny atsy sy ny aroa kanefa matahotra ny sehatra iraisam-pirenena ihany, matoa mihazohazo tahaka an’io. Te haka ny lohany, kanefa matahotra ny masony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.