Politique

Masoivohon’i Tiorkia Miantso fampihavanana


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Nankalaza ny faha-93 taona niorenany ny Repoblikan’i Tiorkia ka nanamarika izany ny masoivohon’i Tiorkia eto Madagasikara ny sabotsy 29 oktobra teo.

Tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano no nanaovana ny lanonana, notarihin’i Volkan Türk Viral, ambasadaoron’ity firenena ity ka niresahany ny fanamafisam-piaraha-miasa amin’i Madagasikara. Anisany ny resaka fitaterana ana habakabaka ka hampitomboina ho 5 isan-kerinandro ny sidin’ny Kaompania Tiorka Turkish Airlines miala eto Antananarivo mihazo an’i Istambul nanomboka omaly alahady 30 oktobra 2016.  Nohararaotiny koa io fotoana io hanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena  ka nanaovany antso avo ho an’ny mpitondra mba hanamafy orina ny demokrasia. Nohamafisiny fa tokony hotadiavana ny marimaritra iraisana sy ny fampihavanana mba ho tombontsoan’ny firenena. Hiroso amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena ny antenimiera ka jerena tsara ny pitsopitson-javatra rehetra. Sarintsarim-pampihavanana mifantoka betsaka amin’ny tombontsoa politika no nisy teto. Tsy misy afa tsy fampihavanana politika no natao ary tsy nahomby tamin’ny ankapobeny. Ny vahoaka sy ny mpanao politika no mila hampihavanina ary tokony hibaboka ny mpanao politika eto Madagasikara fa izy ireo no fototry ny fahapotehan’ny firenena ary vonona hanonitra ny tsy nety natao.


Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT